Fandrobana tetsy Amboditsiry : Namidin’ilay mpiambin-tanàna 5 tapitrisa Ar ny basy

Olona telo nosamborin’ny polisim-pirenena noho ny halatra niaro famarotana fitaovam-piadiana mahery vaika, teny 67 Ha, afakomaly. Namidin’ilay mpangalatra 5 tapitrisa Ar ny basy.

Tra-tehaky ny polisim-pire­nana eo anivon’ny sampam-pikarohana heloka bevava teny 67 Ha ny lehilahy iray nangalatra fitaovam-piadian’ny mpampiasa azy, afakomaly. Nitrangana ha­latra tao amin’ny tranon’olon-tsotra iray teny Am­bo­ditsiry, ny 11 marsa lasa teo. Tsy hita popoka nandritra io fotoana io, ny fitaovam-piadiana “Pistolet automatique” niampy bala am-polony an’ilay tompon-trano. Ny mpiambina ny tanàna no tompon’antoka mivantana tamin’io raharaha io. Nametraka fitoriana ny lasibatra. Nokarohan’ny mpitandro filaminana ny nahavanon-doza. Voasambotra teny amin’ny manodidina an’i 67 Ha io mpiambina tanàna nanao ny fangalarana ilay basy io. Nilaza ny marina nandritra ny fanadihadiana azy io lehilahy io. Nilaza ny olona namarotany ny fitaovam-piadiana.
5 tapitrisa Ar
Nanao vela-pandrika ny polisy, noraisim-potsiny teo Anosy ilay lehilahy roa nividy ny basy. Niaiky heloka, nanambara nandritra ny famotoran’ny manam-pahefana azy ireo roa lahy fa novidiana 5 tapitrisa Ar io basy niaraka amin’ny bala io. Naverina amin’ny tompony ilay fitaovam-piadiana niaraka tamin’ny tranom-bala roa tratra teny amin’ireo roa lahy. Tsy vitan’izay, nangalatra firavaka sarobidy tao amin’ilay tokantrano voaroba koa, ilay mpiambina tanàna. Tapitra namidiny teny Analakely avokoa anefa ireo firavaka. Hiatrika famotorana alohan’ny hanolorana azy eny anivon’ny fampanoavana izy telo lahy.

Tsiferana R.

Partager sur: