Jiolahy nandositra tao amin’ny zandary: iray maty voatifitra, efatra voasambotra

Voasambotry ny mpitandro filaminana, omaly, ireo jiolahy efatra anisan’ireo folo nandositra tao amin’ny efitrano nihazonana azy ireo natao andrimaso, tao Taolagnaro, faritra Anosy. « Jiolahy mpanafika Cash point ny telo. Niara-niasa ny ekipan’ny UIR eto an-toerana sy izahay zandary”, hoy ny fanazavan’ny kaomandin’ny vondron-tobim-paritry ny zandarimaria ao Toalagnaro. Tratra ireo telo lahy mpanao ratsy ireo ka nohazonina natao andrimaso. “Andalam-panamboarana ny borigady ka notazomina tamin’ny toerana azo antoka ireo telo lahy ireo sy ny olon-dratsy fito hafa”, araka ny fanazavan’io tomponandraikitry ny zandary miasa ao an-toerana io. Novakian’ireo tsy mataho-tody anefa ny varavarankelin’ilay trano nihazonana azy ireo ka nanararaotra nandositra izy ireo, ny alin’ny alatsinainy hifoha ny talata 11 marsa teo. “Nitsoaka nanaraka ireo telo lahy ireo koa ireo fito niara-voatazona”, hoy izy. Raikitra ny fanenjehana ireo olona nohazonina atao andrimaso ireo.
Maty voatifitra
Nanohitra ny zandary nisambotra azy ny iray tamin’ ireo jiolahy. Nampiasa antsy ireo jiolahy rehefa nifandona tamin’ny mpitandro filaminana. Voatrobaka teo amin’ny feny ny zandary iray. Na izany azy, voafehin’ny zandary io lehilahy io. Ankoatra azy, nikasa handositra ny lehilahy iray hafa rehefa nanohitra. « Voatery nampiasa fitaovam-piadiana ny ekipa ka maty voatifitra io namany io », hoy ny fanazavan’ny zandarimaria. Tafakatra efatra ireo olona efa voasambotra ka efa azo avokoa ireo mpandroba Cash-point, ho an’ny omaly. Mitohy ny fikarohana ireo nandositra. Jiolahy avy any Amboasary avokoa ny ankamaroan’ireo karohina ireo saingy manao asa ratsy ao an-toerana, araka ny fanazavana voaray.

Tsiferana R.

Partager sur: