Nigadona omaly, teny Ivato, ny filohan’ny Federasionina malagasin’ny baolina kitra (FMF), Randriamanampisoa Alfred. Nitondra vaovao mahafaly ho an’ny Malagasy mpankafy ity taranja ity ny tenany.
Afaka ihany! Na dia tsy nirotsaka tamin’ny ora farany, nandritra ny fifidianana ny komity mpanatanteraka ny Kaonfederasiona afrikanina (Caf) aza Randriamanampisoa Alfred, filohan’ny FMF, nitondra voan-dalana tsara ho an’ny Malagasy ihany ny tenany, omaly, teny Ivato. Nambarany tamin’io fotoana io fa afaka tanteraka ny sazy mahakasika ny fitantanam-bolan’ny FMF, ary efa mahazo mitantana ireo fanampian’ny Fifa ara-dalana i Madagasikara.
Notsiahiviny fa efa tamin’ ny taona 2020 no tsy afaka nitantana ny vola mandeha tao amin’ny federasionina noho io sazy nomen’ny Federasiona iraisam-pirenena io. Araka ny fanazavana nataon’ity filohan’ ny FMF ity, hiezaka hatrany izy ireo hanao ny mangaraharaha na dia efa afaka aza ny sazy.
“Ny faha-15 hatramin’ny 17 avrily ho avy izao, hitsidika ny biraon’ny federasionina ny Fifa, hanao fitsirihana farany mahakasika ny fitantanana ny vola eto Madagasikara”, hoy Randriamanampisoa Alfred, filohan’ny FMF.
Ho avy ny “Inspecteur Caf”
Anisan’ireo antony iray tsy nirontsahan-dRandriamanampisoa Alfred ho anisan’ny ho kandidà hofidina ny fitsinjovana tombontsoan’ny baolina kitra malagasy. Nilaza ity tomponandraikitra ity, fa hisy “inspecteur” telo mirahalahy alefan’ny Caf eto Madagasikara hijery manokana ny bozaky ny Kianja Barea Mahamasina. Rehefa vita tanteraka ny fiofanana sy ny fitsirihana hataon’ izy telo mirahalahy ireto, azo heverina fa afaka handray lalao iraisam-pirenena amin’ izay ity kianja ity. Ankoatra izay, nampanantena ny Fifa sy ny Caf, fa hisy ny ivontoeram-piofanana hatsangana any Mahajanga ary havaozina ihany koa ny Kianja Rabemananjara.
“Ho fanajana ireo zava-tsoa omen’ny Fifa ho an’ny Malagasy ireo no nialako tsy hirotsaka indray, ny vahoaka malagasy no jereko fa tsy ny voninahitra ho azoko”, hoy R. Alfred.
Fitia Randria