Hotanterahina etsy amin’ny ivontoeran’ny rugby Andohatapenaka, ny 21 sy ny 22 marsa ho avy izao, ny fiofanana ho an’ireo mpanazatra ny rugby lalaovina olona 14. Hiatrika izany ireo manana ny «niveau 2» ka hampita ny fahalalana mandritra io roa andro io, Rafalimanana Berthin (Zoto). Hianarana amin’io ireo lalàna vaovao mifehy ny rugby satria mivoatra isan’andro ny fitsipika mifehy ity taranja ity. Tsikaritra fa maro ireo mpanazatra amin’ny fileovana no tsy maharaka izany ka lasa mifanditra amin’ny mpitsara eny ambony kianja. Ankoatra izay, ny fomba fitantanana fanazarantena, ny fomba atao manomboka any amin’ny fanafanam-batana sy ny fampitana ireo teknika sy taktika amin’ireo mpilalao na ny ekipa iray manontolo mihitsy no hatao amin’izany. Hatramin’ny alahady 16 marsa ho avy izao ny fara fisoratana anarana ho an’ireo maniry hanaraka ity fiofanana ity.
Mandra-piandry izany, efa nahatontosa ny azy ny fiandohan’ity volana ity, ireo ao amin’ny famelomanaina «niveau 1». Nikarakara izany ny vaomieran’ny fitsaboana eo anivon’ny Malagasy Rugby.
Tompondaka