Fampandrosoana ny kaominina: Hidina eny ifotony ny mpiasan’ny minisitera

Nisitraka fiofanana ireo mpiasan’ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT) miisa 50. Anisan’ny andiany voalohany izy ireo ary hivoaka.

Anisan’ny niompanan’ny fanofanana ireo ho mpa­nofana ireo tao anatin’ny telo andro ny fampianarana olon-dehibe, fomba fiasa mirindra sy ny fiovan’ny tontolo iainana. Eo koa ny fampandrosoana ifotony tsy manavaka sy iombonan’ny rehetra. Tanjona ny hananan’ireo mpiasan’ny MFFT traikefa teknika sy ahafahezan’izy ireo ny fampitana ny fampiofanana norantovony hoentina eny anivon’ny kaominina. Iarahana amin’ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovain-jafy (Medd) sy ny MSIS Tatao izany.
Etsy andaniny, ao anatin’ny fanavaozana mikendry ny hanamafisana ny fahaleovantena sy ny andraikitrin’ny Vondrom-bahoakam-paritra itsinjaram-pahefana (VIP) ny MFFT. Nisy koa ny fifanakalozan-kevitra, tetsy Anosy.

Famatsiam-bola ho an’ny kaominina

Nitarika izany ny sekretera jeneralin’ny minisitera sy ireo tale jeneraly miandraikitra ny fitsinjaram-pahefana sy ny avy amin’ny FDL, INDDL ary ny solontenan’ny minisiteran’ny Toekarena sy ny fitantanam-bola, ny avy amin’ny tahirim-bola , ny hetra, ary ny fanaraha-maso ny fitantanam-bola. Nanome torolalana tamin’izany ny MFFT. Eo ny fandaminana ny tetiandro hanamafisana ny fahaleovantenan’ny VIP sy ny hamatsiana vola azy ireo. Ny fanavaozana ny rafitra ara-dalàna famatsiam-bola, ahitana ny fihenan’ny fepetra ara-bola ao amin’ny kaominina sy ny fanampiana ara-bola. Ny hetra eo amin’ny faritra sy ny kaominina. Ny fananana ny tetiandro amin’ny fanomezana ny famatsiam-bola mifanaraka amin’ny 2025.

Synèse R.

Partager sur: