FANTINA sy FINTINA

Notakin’ny filoha Rajoelina Andry tao amin’ny filankevitry ny minisitra, afakomaly ny hanarahana maso akaiky ny fivarotana ny vary mora, 500 Ar ny kapoaka any Atsimo. Nambarany fa tokony hozaraina intelo isan-kerinandro izany ary ilaina ny mangarahara. Eo koa ny tsy maintsy hananan’ireo kaominina lavitra indrindra ny karine fokontany.

Nambaran’ny depiote Raholdina Naivo fa tafiditry ny resaka politika ny tsy fandriampahalemana na efa miezaka aza ny fanjakana. “Fanahiniana aseho be izany tsy fandriampahalemana izany, ilazana fa tsy mahavita azy ny fitondrana”, hoy izy. Narangarangany fa ho avy ny “Operation Ditra” eny amin’izy ireo handravana izany.

Nitondra ny voatsirambin’ny tanana ho an’ireo olona niharam-boina tetsy Soavinandriana Be­sarety Ampandrana Est, ny depiote Ralamboma­na­na Feno, omaly. Tsiahivina fa niharan’ny haintrano ny fianakaviana sasany raha nirodanan’ny trano kosa ny hafa amin’izy ireo. Nampahery azy ireo ity solombavambahoaka ity tamin’izany.

Tsy nitsitsy ny mpanolotsain’ny Tanàna, Ra­ha­rinirina Clemence nilaza fa mpanohitra sadasada sy olom-boavidy ny sasany amin’ireo filankevitry ny CUA. Notsipahiny tanteraka ny tetibola ka natao hakana 1 000 000 Ar isan-taona ho an’ny taxi-be. 339 000 Ar ny taxi… “Lany hatrany izany rehefa anaty latsa-bato miafina eo amin’ireo mpanolotsaina”, hoy izy.

Partager sur: