CUA : Mifampitifitra ny samy mpanohitra

Tonga amin’ny fisaratsaharana ireo mpanolotsaina avy amin’ny fanoherana eo anivon’ny filankevitry ny tanàna, Kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA). Tratry ny tsy fitoviam-pijery izy ireo.

Miisa 37 ireo mpanolotsaina mosipaly nandany ny volavolana tetibola 2025 teny anivon’ny Kaominina Antananarivo Re­nivohitra (CUA), Analakely, afakomaly, raha ny fampitam-baovao voaray omaly. 12 ireo tsy naneho ny heviny ary efatra nanda. Manoloana izany, tsy mitovy hevitra be ihany ireo mpanolotsaina eo anivon’ny fanoherana. “Ny fanoherana tsy midika hoe raha misy zavatra aroso ka ho fampandrosoana ny tanànan’Anta­nanarivo, efa tena mampalahelo sy ao anatin’ny fahasahiranana lalina: tsy midika hoe fanoherana befahatany an’izay fampandrosoana an’Anta­nanarivo izay”. Io, ohatra, ny fanehoan-kevitry ny mpanolotsaina monisipaly, Rama­nan­draibe Harifidy. Ny fahaizana ny fanoherana dia ny fijerena hoe: amin’ny fomba ahoana no ametrahana ny maha mpanohitra ny tena? Izy tonga ao amin’ny CUA dia vonona hanohitra tanteraka ny fomba tsy nanjary sy tsy nahomby natao teto amin’ny CUA, araka ny nambarany.

Tsy tokony hialokaloka ho mpanohitra
“Toy ny hoe izay ato amin’ny fanoherana no mifampitifitra”, hoy kosa ny mpanolotsaina monisipaly, Rahanirina Clémence. Nefa hita ny zavatra nambaran’ny mpanohitra sasany miaro ny mpanatanteraka, miaro ny volavolana tetibola naroson’ny mpanatanteraka. “Rehefa miteny hoe mpanohitra ianao, tsy tokony hialokaloka amin’ny hoe izahay tsy mpanohitra bontolo”, hoy izy. Rehefa hita fa tsy mifanaraka amin’izay andrasan’ny vahoaka amin’ny maha olom-boafidy izay aroson’ny mpanatanteraka, mila mijoro ny tena ho an’ny vahoaka nifidy.

R. Nd.

Partager sur: