NAMONO ZANAKA : Vehivavy niharan’ny fitsaram-bahoaka

Zazavavy 6 taona maty novoin-dreniny tao Ambalasoa, fokontany Antanety, kaominina Antsirabe, afakomaly hariva. Manan-janaka roa io ramatoa io. 6 taona ilay zokiny raha toa ka vao 5 volana ny zandriny. Efa nodimandry ny vadiny ka mitaiza irery ireo zanany ireo io renim-pianakaviana io. “Vao dimy volana an-kibo ilay zaza no namoy ny ainy ilay rangahy”, araka ny fanazavana voarain’ny polisy misahana ny famotorana. Nentin’ilay ramatoa niala teo amin’ny tanànany ireo zaza roa ireo, ny alakamisy 13 marsa teo. Niverina nody izy, no ho ny hariva ny andro. Nahatsikaritra anefa ireo mpiray monina taminy fa tsy nentin’ilay ramatoa niverina ilay zazavavy 6 taona. Nampanontany tena ireto farany rahateo ny fihetsik’ilay renim-pianakaviana. Hitan’ny fokonolona faty tany anatin’ny lakandrano tsy lavitry ny fokontany misy azy ireo ilay zazavavy. Nakarin’ny tsara sitrapo an-tanety ity farany. Nandainga ary voalaza fa namorona tantara nandreseny lahatra ireo manodidina fa tsy namono io zanany io ilay ramatoa. Tezitra noho ny fihetsiny ny fokonolona ka saika hampihatra fitsaram-bahoaka. Voasoroky ny mpitandro filaminana izany. Nosamborina ary notanana atao famotorana ny renin’io zaza namoy ny ainy io.

Tsiferana R.

Partager sur: