Manao ranolava ny fampidirana am-ponja zandary tato ho ato. Zandary girady G1C, misahana asa eo anivon’ny faritra Atsinanana, voarohirohy tamina raharaha fanafihana mitam-piadiana nahafatesan’olona sy fanaovana hosoka ary fisolokiana an-tambajotram-pifandraisana, ny 12 marsa teo. Niainga tamin’ny fanadihadiana, renim-pianakaviana 53 taona namoy ny ainy ny 29 oktobra 2024, tao Antanambao faharoa- Toamasina. Vola manodidina ny 4 tapitrisa Ariary voaroba, niampy finday raitra izay mbola nisy vola tao anatiny. Hamonjy fodiana ny tolakandro io ramatoa io kinanjo nisy nanafika tampoka tsy lavitry ny trano fonenany. Maty voatifitra teo no ho eo izy. Nanao izay fomba rehetra nahafahana nikaroka ny nahavanon-doza sy mpiray tsikombakomba aminy ny fiakanavian’ny lasibatra sy ny mpitandro filaminana. Vokany, olona dimy voarohirohy tamin’ ity raharaha ity ka anisan’izany ilay zandary. OIona nivarotra ny finday ny iray ary mpanamboatra telefonina ny hafa. Nivarotra io finday io ilay zandary sady tompon’ny puce niasa farany tao anatin’ny telefaonina ary iray tamin’ireo mpiray tsikombakomba. Ny alarobia 12 marsa teo, natolotra ny fampanoavana anivon’ny fitsarana ambaratonga voalohany ao Toamasina izy dimy lahy ireo. Naiditra am-ponja ny telo ka anisan’ izany ity zandary ity, hatreto miisa efatra ny zandary voatazona ao Ambalatavoahangy miandry fotoam-pitsarana.
Sajo