“FIBA 3×3 Champions Cup”: Ratsy fanombohana ny ekipa malagasy

Nanomboka omaly, any Thailande, ny fifaninanana “Fiba 3X3 Champions Cup” na Fiadiana ny amboara maneran-tany amin’ny taranja basikety lalaovin’olona 3. Ratsy fanombohana ny ekipa malagasy.

Tsy nahomby ny Ankoay, lahy sy vavy, nandritra ny andro voalohan’ny “Fiba 3X3 Champions Cup”, taranja basikety, tontosaina any Bangkok Thailande, nanomboka omaly ary hitohy hatramin’ny 16 marsa izao. Samy faharesena avokoa no azon’ny Ankoay, na lahy na vavy tamin’ny lalao voalohany. Ho an’ny sokajy vehivavy, hita taratra ny tsy fitovian’ny lentan’ny Malagasy mpilalao sy ny mpilalao avy any Chine. Na izany aza, nanezaka mafy ny Malagasy nanao izay ho afany nampifandanjana ny lalao. Saingy, voafetra izany noho ilay traikefa tsy mitovy. Isa 21 no ho 12 no nandavoan’i Chine an’i Madagasikara.
Teo amin’ny sokajy lehilahy kosa, niady ny lalaon’ny Ankoay sy ny ekipan’i Serbie, ekipa tompondaka farany, omaly. Nifandanja tsara ny lalao ary azo lazaina ho zakan-dry Elly sy ny namany ny mpilalaon’ny Serbie. Ekipa anisan’ny goavana kanefa efa nifandona tamin’ny Ankoay tamin’ny lalao vitsivitsy ihany koa ka somary efa fantapantatra ny filalaony. Noho izay traikefa ananan’ny Ankoay lehilahy izay, isa 2 monja no nandavoan’i Serbie an’i Madagasi­kara, tamin’ny alalan’ny isa 21 no ho 19. Mbola niatrika lalao nanoloana an’i Canada ny Ankoay vehivavy, omaly hariva, saingy tsy nahomby ihany koa. Toraka izany koa ny Ankoay lehilahy, izay mbola lavo fanindroany nanoloana ny ekipan’i Autriche.
Ho an’ny anio, ny ekipan’i Allemagne no hifandona amin’ny Ankoay, vehivavy, mandritra ity andro faharoa ity ary ny ekipan’i Pay-Bas kosa no miandry ny Ankoay, lehilahy. Na dia sarotsarotra aza ny lalan’ny ekipa malagasy, hanao izay fara-heriny izy ireo hanome izay tsara afaka omena ary haka traikefa amin’ny lalao rehetra hatrehana.

Mi.Raz

Partager sur: