Noho ny fisian’ny lalao hataon’ny Barea de Madagascar, eo amin’ny fiadian-toerana ho an’ny “Mondial 2025”, miato aloha ny fifaninanana hiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara (PFL). Na eo aza izany, hatao anio sy rahampitso, manerana an’i Madagasikara ny fihodinana voalohany amin’ny fiadiana ny Yas amboaran’i Madagasikara. Toerana 10 no handray izany dia Analamanga, Ambovombe, Imerintsiatosika, Ambatondrazaka, Ambositra, Fenoarivo Atsinanana, Manakara, Toamasina, Toliara ary Mahajanga. Adin’ny samy ekipan’ny ligin’Atsimo andrefana ny an’ny AS Faji sy AFT. Toy izany koa ny an’ny Antimo Record sy Generation Foot. Lalao hotanterahina ao Toliara avokoa. Hanafika ny MZepetera Boeny kosa ny Saturne FC Analamanga.
Ny Roimemy Analamanga ihany koa hidina any Ambatondrazaka ka hifampitana amin’ny AS Tam Alaotra Mangoro. Fihaonana andrasan’ny rehetra ny eto Analamanga, hifampikatrohan’ny samy tompon-tanàna dia ny Five FC sy ny Toulon FA ary ny Toulouz FC sy ny AS Ste Anne.
Tompondaka