Mialoha ny hanombohan’ny taom-pilalaovana 2025, amin’ny rallye, navoakan’ny Federasionina sport-automobile malagasy (FSAM), ny fiandohan’ity volana marsa ity, ny isa ho azon’ireo mpifaninana sy ny fetra isa amin’ny rallye iray. Araka ny tapaka nandritra ny fivoriambe niarahana tamin’ireo klioba, fantatra fa hahazo isa 25 ny voalohany amin’ny filaharana ankapobeny, raha 21 ny faharoa ary 18 ny fahatelo. 16 ny fahefatra ary 14 ny fahadimy. Tsy manana afa-tsy isa 1 ny laharana faha-14.
Ankoatra izay, tsy manana fetra isa ny rallye tanterahina amin’ny faritra Analamanga. 1,5 kosa izany ho an’ireo faritra hafa ivelan’ny Renivohitra. Ho an’ny “Grand Rallye de Madagascar (GRM)”, hahatratra 2,0. Ankoatra izay, misy ny fepetra amin’ny halavirana sy ny faharetan’ny fifaninanana. Raha rallye hatao eto Analamanga, tsy maintsy 70 km farafahakeliny ny halavan’ny dingana manokana (ES), ao anatin’ny andro iray ny hanaovana ny hazakazaka. Ho an’ny fifaninanana any amin’ny faritra indray, 120 km ny fohy indrindra amin’io ES io, hatao ao anatin’ny 2 andro sy tapany.
Ny rallye farany amin’ny taom-pilalaovana, raha tanterahina any amin’ny faritra, dia 120 km ny 2 andro sy tapany. Raha eto Analamanga ny mamarana azy dia 140 km ao anatin’ireo andro ireo. Ho an’ny GRM, 160 km farafahakeliny ny 2 andro sy tapany.
Torcelin