Fanatsarana fomba fiasa : Homena tolotra tsara ireo ho eny amin’ny fitsarana

Notokanana sy natolotry ny minisitra ny Fitsarana, Rakotomandimby Benjamin Alexis, ny “Guichet Unique de Greffe” ao amin’ny fitsarana Antsirabe, omaly. “Natao ha­natsarana ny raharaha ara-pi­tsarana sy hanomezana tolotra haingana sy mahomby ary tsara ho an’ny vahoaka ma­nan-draharaha izany”, hoy izy. Nanteriny fa afaka manao ny dingana rehetra ilaina amin’ny toerana iray ihany ny vahoaka. Hampihena ny fotoana lany sy ny sarany mifandraika amin’izany izao fanatsarana izao. Hahazo torohay mazava sy ofisialy, misoroka ny kolikoly sy ny fanararaotana ataon’ny mpanelanelana tsy ara-dalàna ny rehetra, araka ny nambarany.
“Natao izao hanakaikezana hatrany ny vahoaka, hampitomboana ny fahatokisan’izy ireo ny fitsarana, amin’ny rafitra mangarahara sy mahomby, amin’ny tolotra mitovy sy ara-drariny, ka mampiroborobo ny fitovian-jo eo amin’ny manan- draharaha”, hoy ihany izy.

Teny malagasy amin’ny didim-pitsarana
Tsiahivina fa notanterahina tamin’izany ny fotoam-pitsarana, nametrahana amin’ny toerany ny filohan’ny fitsarana, Razafimarolahy André. Nentaniny ny ady kolikoly sy amin’ny herisetra, ny fakana takalonaina sy ny fanafihana mitam-piadiana, ady amin’ny fanondranana biby arovana, ny fanafainganana ny raharaham-pitsarana, ny ezaka fa­natsarana ny tahan’ny olona voafonja vonjimaika manoloana ny olona voafonja raikitra, ny fiaraha-miasa amin’ireo mpisolovava, vadintany, fanakaikezana ny vahoaka amin’ny alalan’ny fampiroboroboana ny fitsarana mitety vohitra. Eo koa ny ezaka fizarana ny kopia solom-pahaterahana, ny fampiasana ny teny malagasy amin’ny didim-pitsarana.

Synèse R.

Partager sur: