Mitohy ny fitsidihan’ny filohan’ny Antenimierampirenena, Tokely Justin, ny any Inde. Nanome voninahitra sy nanaja an’i Mahatma Gandhi, Ray ara-panahy tao amin’ny Raj Ghat ny tenany. Teo koa ny fitsidihana ireo mari-pahatsiarovana entin’ny firenena indianina anehoana ny fahendren’i Gandhi.
Mandray anjara amin’ny fivoriamben’ny Komity misahana ny anjara toeran’ny vehivavy eo anivon’ny ONU – CSW69, any New York, ny minisitra Razafinjato Aurelie sy ny depiote Raby Savatsarah. Fihaonana hahafahana mihaino ny traikefan’ireo firenena hafa. “Mbola betsaka ny ezaka tokony hatao, indrindra ny ady amin’ny herisetra”, hoy ny minisitra.
Nampitovy tadin-dokanga tetsy Andavamamba ireo ben’ny Tanàna miisa 38 eto Antananarivo sy ny manodidina ary Itasy, afakomaly. Voaresaka ny fiaraha-miasa eo amin’ny fananantany, ny fitaterana, ny fahadiovana ary ny fitantanana ny fako. Tanjona ny hametrahana paikady iombonana handresena lahatra ireo mpamatsy vola.
Namaly ny mpanolotsaina, Raharinirina Clemence, ny mpanolotsaina, Harifidy Ramanandraibe, momba ny tetibolan’ny CUA. Nambarany fa tsy tokony hanao fanoherana bontolo eo anivon’ny filankevitra. “Ilaina ny tsikera sy fanakianana fa jerena koa ny fepetra ahafahana mijery ny tombontsoan’ny mponina”, hoy izy.