“Vehivavy mitafa”: Hanasongadinana ny fahaiza-manao

Nosofakana tamin’ny fomba ofisialy tetsy amin’ny zari­dainan’Antaninarenina, omaly, ny hetsika “Festival à voix haute”, “Vehivavy mitafa”. Hetsika karakarain’ny Kaomi­nina Antanana­rivo Renivohitra sy ny faritra Île de France, mpanohana ny hetsika. Tanjona ny hanasongadinana ha­trany ny fahaiza-manaon’ny vehivavy. Eo koa ny fisian’ny firaisankina amin’ny fiadiana ny zo eo amin’ny lahy sy ny vavy. “Hetsika hahafahana manome voninahitra ny vehivavy malagasy sy manasongadina ny herim-pony, ny tolona nataony, ary ny faharetany manoloana ny fa­namby apetrany isan’andro”, hoy ny ben’ny Tanànan’Antana­na­rivo, Ramanantsoa Harilala, nandritra ny lahateniny. Namba­rany fa anisan’ny sehatra iray ahafahan’ny vehivavy mifanakalo hevitra sy traikefa ihany koa io hetsika io.
Misy ny tranoheva maro samihafa eny an-toerana, ampirantiana mahakasika ny atrikasa sy ny zavatra novokarin’ny vehivavy. Naneho fisaorana ho an’ny mpanohana sy ny mpandray anjara rehetra tamin’ny fanatontosana ny hetsika koa ny ben’ny Tanànan’Antananarivo Renivohitra. Nanomboka ny 12 marsa teo ary hifarana ny alahady 16 marsa izao ny hetsika.

Mino

Partager sur: