Nitsidika ny Praiminisitra, lehiben’ny governemanta Ntsay Christian, teny amin’ny Lapam-panjakana Mahazoarivo, omaly, ireo delegasiona avy amin’ny Vondrona eoropeana (UE). Nitarika izany ny masoivohony miasa sy monina eto Madagasikara, Roland Kobia.
Niaraha-nandinika nandritra izany fihaonana teo amin’ny roa tonta izany ny fifandraisana sy ny fiaraha-miasa eo amin’ny andaniny sy ny ankilany. Samy nahatsapa izy ireo tamin’izao dinika izao ho amin’ny fahavononana avy amin’ny andaniny sy ny ankilany amin’ny fanatanterahana ireo vinam-pampandrosoana apetraky ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry. Naneho fahavononana amin’ny hanohanana ny Politika ankapoben’ny fanjakana (PGE) ny solontenan’ny UE. Noresahina manokana ihany koa ireo sehatra iarahana miasa. Anisan’izany ny lafiny ara-toekarena sy ny ara-tsosialy. Voaresaka fa hanaovana ny ezaka manokana sy mivaingana ny hanatsarana ny fari-piainan’ny vahoaka malagasy.
Tsiahivina fa hotanterahina tsy ho ela eto amintsika ny dinika ara-piaraha-miasa voalohany eo amin’i Madagasikara sy ny Vondrona eoropeanina. Tafiditra ao anatin’ny fanatanterahana ny “Accord de Samoa”, na ny fifanarahana eo amin’ireo firenana afrikanina sy ny Vondrona eoropeanina izany.
Efa nankatoavin’ny teo anivon’ny filankevitry ny minisitra rahateo io fihaonana eo amin’ny mpitondra sy ireto avy amin’ny UE ireto.
Synèse R.