Mpamerin-keloka avokoa ireo roa lahy namono nahafaty olona tao Toamasina. Voasambotra taorian’ny fanadihadiana lalina nataon’ny mpitandro filaminana izy roa lahy nahavanon-doza.
Tsy naharitra ela fa ny alarobia 13 marsa no voasambotra tao Antsarakofafa i Abadalh Jhaylan, 21 taona, iray tamin’ ireo jiolahy nahavanon-doza, nanatombok’ antsy namono nahafaty an-dRandriamahefa Tahina, tovolahy 25 taona, ny alin’ny 04 marsa teo, tao Ambolomadinika parisela 13/32. Natao ny fandrika sy ny fomba ary paikady nafahana misambotra ny namany, taorian’ny nahasamborana an’ity jiolahy voalohany mpamerin-keloka ity. Nofandrihana tamin’ny alalan’ny antso an-telefaonina i Zafilahy Tsiahona, 23 taona, na fantatra amin’ny anaram-bosotra tao Ambalatavoahangy hoe: Le Baba, ity farany izay efa nitsoaka tany amin’ny ray aman-dreniny tany Fenoarivo Atsinanana. Nirahina haka taksiborosy hiverina Toamasina izy fa efa milamina ny raharaha. Nilaza i Le Baba fa tsy manana saran-dalana, nambaran’ i Jhaylan, namany, fa efaina ny vola rehefa tonga. “Miandry anao ao Ambalamanasy izaho”, hoy ny namany izay efa eo am-pelatanan’ny zandary. Vokany, nandray taksiborosy ny zoma maraina, niainga tao Fenoarivo ny anao lahy ary nihazo an’i Toamasina. Tsy nisy vola tokoa tany amin’ity jiolahy ity ka mbola nindrana vola 1 000 Ariary tamin’ny mpandeha niaraka taminy izy. Niandry ny fahatongavan’ny taksiborosy tany Antetezambaro, 18 kilometatra mialoha ny hidirana an’i Toamasina, kosa ny zandary. Voamarina rahateo ny fiara nitondra io jiolahy faharoa io. Nosakanana avy hatrany, nanontaniana ny mpamily hoe aiza ny lehilahy mpandeha iray manao P.A ato. Noraisim-potsiny ilay jiolahy.
Nanendaka mba hirevena
Nandritra ny valandresaka nataon’ny vondron’ny mpitandro filaminana telo tonta, notarihin’ny komandin’ny vondrom-pileovan’ny zandarimariam-pirenena Atsinanana, ny Lietnà kly Randrianirainy Malalantenaina Pacome, tamin’ny famotorana savaranonando, fa anisan’ny fiarovan-tenan’izy roa lahy ny hoe tsy noheverinay hahafaty azy ireny tombok’antsy ireny. “Nisotrosotro izahay roa lahy ka tsy ampy vola dia nihevitra ny hanendaka kely fotsiny mba hividianana revy”, hoy ireo tsy valahara tamin’ny alalan’ny fanadihadiana natao taminy. Ankilany, ankoatra ny fianakavian’i Tahina dia efa nisy fitoriana telo samy hafa momba azy roa lahy tonga tao amin’ny zandary sampana fikarohana sy ny ady heloka bevava.
Sajo/Tsiferana R.