Namoy ny ainy vokatry ny lozam-pifamoivoizana ny mpitondra moto iray, tetsy Ambodiafontsy, ny zoma tamin’ny 8 ora alina lasa teo. Nifandona tamin’ny fiara sprinter iray avy any Anosizato hihazo an’i Fenoarivo izy tamin’izany ka nitarika ny fahafatesany. Raha toa ka hihazo an’Anosizato avy any Fenoarivo kosa ilay mpitondra moto. Nitranga tamin’ny lalam-pirenena voalohany, PK 09 + 800, Ambodiafontsy Ampitatafika, disitrikan’Antananarivo Atsimondrano, ny loza. Araka ny filazan’ny olona nanatri-maso, nikivilavila ny fandehan’ilay moto ka nifandona mafy tamin’ilay fiara nifanena taminy. Nidona tamin’ny fiara izy sy ilay moto nentiny ka maty tsy tra-drano izy. Nahenoana fofona alikaola kosa ny razana taorian’ny fizahana natao taminy. Heverina ho mamo izy nefa mbola nitondra moto ihany. Notazomina natao famotorana eny anivon’ny mpitandro filaminana kosa ilay mpamilin’ilay fiara nifandona taminy. Efa notanana ihany koa ny taratasin’ny fiara. Manentana ny rehetra hatrany ny mpitandro filaminana mba tsy handray zava-pisotro misy alikaola rehefa mitondra fiara na kodiaran-droa hisorohana ny lozam-pifamoivozana.
Mino