Ambohimalaza : Mpivarotra fiara hita faty nisy namono

Nahitana vatana mangatsiakana raim-pianakaviana iray 53 taona, tetsy Andrano­nomby, kaominina Ambohi­ma­laza, ny zoma tamin’ny 6 ora sy sasany hariva lasa teo. Efa niala tamin’ny vatany ny lohany sy ny tanany ary ny tongony. Ankizy kely nilalao teny amin’ny manodidina no nahita io faty niparitaka teny an-toerana io ka niantso ny tomponandraikitra. Nalevin’ny fokonolona avy hatrany ny razana taorian’ny fikarakarana ny taratasy rehetra teny anivon’ny kaominina sy ny zandary. Efa tsy hita popoka nanomboka ny 8 marsa io raim-pianakaviana hita faty io. Efa nisy ny famoahana sy filazana fikarohana momba azy. Tonga teny an-toerana nanamarina ny razana ny fianakaviana nanana olona very ny sabotsy teo. Mpanera fiara io raim-pianakaviana hita faty io ary nitondra olona nanao andrana fiara sprinter iray hamidy izy ny 8 marsa teo, ary tsy niverina intsony taorian’izay. Tsy hita niaraka taminy ny fiara nentiny. Natao andrana teny amin’ny faritr’Imerinkasinina, Ambohimalaza iny io fiara io. Monina ao Mandikanamana, kaominina Alasora, io lehilahy hita faty io. Ankoatra izay, razana roa samihafa ihany koa no hitan’ny olona tany atsimon’ny gara, any amin’ny kaominina ambanivohitra An­tsohihy, ny zoma hariva lasa teo ihany. Olona handeha ha­monjy asa maraina no nahita ny razana ka niantso ny tomponandraikitra. Tsy hita na­nomboka ny talata 11 marsa lasa teo ilay renim-pianakaviana ary efa nanomboka nikaroka azy ireo ny fianakaviany. Nanenjika olona iray tany anaty ala, voalaza ho nangalatra vola 5 tapitrisa Ariary tao an-tranony izy io ka tsy niverina intsony. Efa nisy ny fisamborana ireo olona akaiky sy nifanerasera taminy, nahitana vehivavy roa samy 16 taona (ny iray nangalatra, ny iray nahita ny vola nafenina tao anaty kitapo) sy mpamilin’ny taxi-ville iray, ny alarobia lasa teo. Nangalatra ny vola tao an-trano ilay vehivavy 16 taona. Raha ny fantatra, saika hanoro ny olona nangalatra ny vola tao an-trano kosa ilay sakaizan’ny zanany, izao nisy namono izao. Andrasana ny tohin’ny raharaha. Miantso ny tomponandraikitra sy ny manam-pahefana handray andraikitra manoloana ny tranga tsy fandriam-pahalemana tahaka izao ny mponina any an-toerana.

Mino

Partager sur: