Minisitra Marson Moustapha Abdulah: « Zava-dehibe ny fitaizana skoto »

Nankalazaina afakomaly, tetsy amin’ny Kianja Barea Mahamasina, ny andro afrikanina ho an’ny skotisma, andiany faha-15. Tonga nanatrika izany ny ray mpiahy ny hetsika, i Marson Moustapha Abdulah, minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena (MJS). Nambarany nandritra ny lahateniny fa zava-dehibe ho an’ny firenena ny fananana tanora voataiza amin’ny fomba skoto.
Efa nanomboka ny 12 – 16 marsa teo ny lasy fankalazana io Andro iraisam-pirenena io. Natao teny Vontovorona izany. Manodidina ny 300 teo ireo mpilasy nanatanteraka izany, ahitana skoto malagasy 150 isa sy skoto avy any ivelany 60. Avy any Tanzania, Kenya, Afrika Atsimo.
Marihina fa natao hitrandrahana ny talenta iraisam-pirenena eo amin’ny lafiny fandriampahalemana sy ny tontolo iainana izany. Ankoatra izay, hatao eto Madagasikara, ny volana septambra ho avy io, ny fihaonamben’ny skoto. Nilaza ny minisitry ny MJS fa vonona hatrany i Madagasikara ny handray ireo vahiny ary manentana azy ireo handray anjara mavitrika amin’ny fihaonamben’ny tanora, “Youth Connekt Summit Africa 2025”, izay hotontosaina eto Antananarivo, ny volana novambra ho avy izao.

F.R

Partager sur: