Maty voatifitry ny polisy avy amin’ny UIR sy ny CUI tetsy Anosizato, ny harivan’ny sabotsy 15 marsa lasa teo, i Lavakely. Anisan’ireo mpanendaka sy mpanao sinto-mahery mampiasa sabatra any anaty fitateram-bahoaka eto an-dRenivohitra izy io, raha ny fanazavana voaray.
Nifanehatra tamin’ny polisy nanao fanamiana sivily, efa nanara-maso azy hatry ny ela, izy tamin’io fotoana io. Tratra teo am-panendahana mpandeha taxi-be iray tetsy Anosizato izy sy ny namany hafa. Saika hamely ny mpitandro filaminana tamin’ny antsy lava sy sabatra teny aminy izy nandritra ny fisamborana. Voatery nitifitra, araka izany, ny polisy ka antony nahalavo azy. Tratra ary tsy namelan’ny mpitandro filaminana raha tsy lavo rehefa nifanao fangalam-piery tamin’izy ireo tao anatin’ny fotoana maro. Tafatsoaka hatrany ity olon-dratsy lavo ity rehefa hosamborina ary nananosarotra ny fikarohana azy. Mbola misy kosa ireo namany hafa karohina amin’izao fotoana izao. Tafiditra ao anatin’ny hetsika hiadiana amin’ny tsy fandriampahalemanana eto an-dRenivohitra izao hetsika izao.
Mino