Voasambotry ny polisy avy amin’ny CSP2, omaly hariva, ny lehilahy iray, nisokitra ny sakaosy feno volabe tao amin’ny Cash point iray tetsy Ambolokandrina. Tratra teny Antohomadinika izy io noho ny fiaraha-miasa tamin’ny olona tsara sitrapo, taorian’ny fizarana sy fanaparitahana ny horontsary nisy ny sarin’ireo olon-dratsy, voarakitra tao anaty caméra de surveillance nandritra ny fotoana nanaovan’izy ireo ny asa ratsiny. Tsiahivina fa lasan’ireo olon-dratsy ny sakaosy feno vola mitentina 8 000 000 Ariary tao amin’io Cash point tetsy Ambolokandrina tsena io, ny alarobia 5 marsa teo, tamin’ny 12 ora latsaka fahefany. Nandeha niakatra nihinana fanafody tany ambony ilay ankizy niandry tao amin’ny Cash point tamin’io fotoana io. Niteny tamin’ny mamany, izay nivarotra teo ivelany teo kosa izy mba hijery ny tsena mandra-piveriny. Vantany vao lasa anefa io ankizy io, niditra tao amin’ilay toerana avy hatrany ny lehilahy roa, izay nampiresaka ilay renim-pianakaviana nivarotra tao ivelany sady nanakona ny taty anatin’ilay Cash point. Nandritra izany, nisy lehilahy iray hafa niditra tao amin’ilay toerana fifanakalozana vola ka nisiokitra entana tao anatiny tao nefa tsy nahazo. Niverina nisokitra fanindroany izy ka voarainy tao ilay sakaosy misy vola. Lasa nivoaka avy hatrany izy ireo rehefa nahazo izany. Tsy nahita ilay sakaosy nisy vola intsony ilay vehivavy rehefa niverina nidina. Nanatona ny polisy avy amin’ny CSP2 avy hatrany moa izy ireo taorian’ny tranga. Nanomboka teo ny fikarohana ireo olon-dratsy. Tsy nisy nahatsikaritra rahateo ny nakan’ireto olon-dratsy ireto ny vola fa voarakitra tao anaty “caméra de surveillance” avokoa ny endrika sy ny fihetsik’ireto olon-dratsy ireto. Naparitaka tamin’ny tambajotra sosialy nanomboka omaly ny sarin’ireo olon-dratsy nanatanteraka izany. Efa nisy ireo olona nanana vaovao mahakasika ireo olon-dratsy ireo ka nahafahana nisambotra io lehilahy iray io. Marihina fa nisy nanongotra ny sabotsy alina teo ny “camera de surveillance” miisa roa teo ivelan’ilay toerana voatafika, raha ny fanazavana voaray. Efa miatrika fanadihadiana eny anivon’ny polisy moa io olon-dratsy tratra io.
Mino