“Ny kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA) tena miara-miasa akaiky amin’ny faritra Analamanga”. Io no nambaran’ny governoran’ny faritra Analamanga sady sekretera nasionaliny antoko TGV, Rasoamaromaka Hery, teny Ambohidahy, omaly, ny amin’ny fiomanan’i Madagasikara amin’ny fandraisana ny fihaonana an-tampony eo anivon’ny Vaomieran’ny ranomasimbe Indianina (COI) faha-5. Hatao eny amin’ny CCI, Ivato, amin’ny 23-24 avrily ho avy izao izany. Izay no anisan’ny iatrehana ny fanamboaran-dalana.
“Isaorana ny filoha Rajoelina fa mandeha ny fanamboaran-dalana”, hoy izy. Tanjona mandra-pahatonga ny vahiny amin’ny volana avrily ny mba tsy hisy lavaka ny lalana amin’ny tanànan’ Antananarivo. Hamboarina avokoa hatramin’ny lakandrano. Miara-misalahy amin’ny zava-tsy mety eto amin’ny tanànan’Antananarivo ny minisiteran’ny Asa vaventy, ny CUA, ny faritra Analamanga ary ny fiadidiana ny Repoblika. Amin’izao, tena andanian’ny fitondram-panjakana vola izay fanamboaran-dalana izay. Fandrakofana tara tanteraka no atao, fa tsy fanampenana lavaka.
Hita fa efa be dia be ny asa mandeha eto amin’ny tanànan’Antananarivo. Azo jerena fa tsara ny kalitaon’ny asa amin’izany. Miaraka atao amin’ny lakandrano ny fanamboaran-dalana. Matetika, samy manao trano etsy sy eroa ny olona. Rehefa avy ny orana, miangona eny amin’ny arabe ny fako sy ny antsanga. Izay no ampiarahana ny fanamboaran-dalana sy ny lakandrano. Miezaka manara-maso ny kalitaon’ny fanamboaran-dalana ny fitondram-panjakana amin’izany.
R. Nd.