Efa mandeha ny fivorivoriana samihafa ataon’ireo depiote sy ny eny anivon’ny etamazaoro politika. Miely ny feo fa hametra-pialana tsy ho ela ny governemanta Ntsay Christian. Anatin’ny ady varotra tanteraka ny fizaran-toerana.
Tsy azo ihodivirana intsony, efa tsy ho ela! Fantatra tamin’ny loharanom-baovao samihafa fa nahitana fivoriana teny amin’ny “Espace” iray eny Atsimondrano, tsy lavitry ny lapan’Iavoloha. Tahaka izany koa, tao amin’ny foiben-toeran’ny antokon’ ny fitondrana, etsy Ivandry. Efa manomana ny minisitra hoesorina sy ny hisolo toerana ary hatolotra amin’ity herinandro ity. Teo koa ny fihaonana teny amin’ny Lapan’i Tsimbazaza, hatramin’ny afakomaly.
Nivoitra aloha hatreto, samy resy lahatra, manaiky avokoa ny vondrona parlemantera roa tonta, ahitana ny avy amin’ny tsy miankina (GPR) sy ny depiote, mpanohana ny fitondrana (IRD ) fa tonga ny fotoana hanovana ny firafitry ny governemanta. Mbola ady varotra kosa anefa ny mety ho isany ka ipetrahan’ny fifandresen-dahatra samihafa. Tonga hatrany amin’ny fitakiana ny fanesorana minisitra miisa 15 izany raha ny hevitry ny eo anivon’ny GPR.
Governemanta fisokafana
Etsy andaniny anefa, manitrikitrika ny amin’ny hanovana tanteraka ny governemanta ary hisokafanana bebe kokoa ny depiote IRD. Mbola mifanjohy amin’ny fitsipaha-pitokisana ny governemanta ny faran’ny taona teo koa ny raharaha. Mifanenjana momba izany ny andaniny sy ny ankilany manoloana ny Praiminisitra Ntsay Christian. Ahina ho rava ny firaisankinan’ireo solombavambahoaka maherin’ny 100 nanao sonia izany.
Ankoatra izany, manao tazan-davitra ny vondrona parlemantera Tim. Efa namerimberina ny tsy hiditra anaty fitondrana izy ireo. Tsy fantatra kosa ny ho toeran’ny avy amin’ny antoko Malagasy miara-miainga, hatreto. Ao anatin’izany, miely ny vaovao amin’ny tsy maintsy hisian’ny minisitra hoesorina amin’ny sezany, ankoatra ireo hafindra toerana fotsiny. Hisy ny minisitra vaovao. Re tsilian-tsofina fa anisan’ny hisitraka seza ireo mpiandany amin’ny amiraly Ratsiraka na ireo antsoina hoe “Ratsirakiste”.
Handeha mafy ( TGV)
Mety hisy hifandray amin’ny fiatrehana ny fifidianana ny fanovana ny governemanta. Ho an’ny sasany, mety hanana ny ambarany amin’ny filazana fa tsy misy antony hanaovana izany intsony noho ny fotoana efa antomotra. Misy koa anefa ireo mametraka fa mbola azo atao ny manova sy mampitombo ny hafainganam-pandeha (tena ho TGV fa tsy ho anarana fotsiny ihany), amin’ireo ekipa vaovao ho avy eo. Ao anatin’izany koa, ny toe-tsaina sy ny foto-kevitra amin’ny fanovana hatao sy ny fomba fitantanana. Ekipa vaovao hiatrika fifidianana fotsiny ihany sa sady hijery ny sosialim-bahoaka ? Tokony ho maika kokoa anefa ny fiainam-bahoaka fa ny sisa manaraka fotsiny avy eo. Araka izany, miandry ny ho tohiny ny rehetra ato ho ato.
Synèse R.