Kaominina Tanambao Tsirandrano, Bekily: Melohin’ny antoko Avi ny herisetra niseho

Niafara tamin’ny famoizana ain’olona ny tsy fanekena ny fahalanian’ny ben’ny Tanànan’i Tanambao Tsirandrano, distrikan’i Bekily. Manameloka izany ny antoko Avi.

Miitatra ny raharaha ao amin’ny kaominina Ta­nambao Tsiandrano, distrikan’i Bekily. Maty nisy namono, ny sabotsy teo, ny zanaky ny ben’ny Tanàna voafidy tao an-toerana. Araka ny vaovao nampitain’ny fianakaviany, nisy andian’olona nandrava ny tanàna io sabotsy io izay fotoana tokony hametrahana ny samboady amin’ny ben’ny Tanàna. Nita­dy ilay ben’ny Tanàna izy ireo. Efa niafina anefa ity farany ka ny zanany lahy no tratran’izy ireo ary nentiny. Maty niharan’ny herisetra io lehilahy io, araka ny fampitam-baovao hatrany. Manoloana izany, nanao valandresaka ho an’ny mpanao gazety ny antoko Avi, omaly, amin’ny maha ben’ny Tanàna lany amin’ny anaran’ny antoko ity lasibatra ity. « Hetraketraka ara-politika no nahatonga izao zava-nitranga izao. Maneho ny alahelonay amin’ny maha ben’ny Tanàna lany amin’ny anaran’ny antoko Avi azy izahay ary lany ara-dalàna izy. Hanao soroka miara-milanja, tanana miara-mibata ary tongotra miara-mamindra amin’ny fikatsahana ny marina amin’izao toe-draharaha izao izahay. Manome endrika ratsy ny fitondram-panjakana izany », hoy ny depiote Andriami­harivolamena Liva Zavamani­tra nitondra ny tenin’ny antoko Avi amin’ny maha filoha mpiara-mitantana azy ao amin’ny antoko. Mila hampiharana ny lalàna ka saziana ireo nahavanon-doza amin’izao toe-javatra izao, araka ny nambarany ihany. Efa nametraka fitoriana, araka izany, izy ireo ka miandry ny tohin’ny raharaha ary hanara-maso akaiky izany, araka ny .
Araka ny fitantaran’ny fianakavian’ny ben’ny Tanàna, efa niantso mpitandro filaminana izy ireo vantany vao niseho ny tranga tao an-toerana. Voalaza fa tsy tonga ara-potoana ireto farany ka niteraka fahavoazana tao an-tanàna. « Tsy tokony ho faty ny rahalahinay raha tonga ara-potoana ny mpitandro filaminana. Nanomboka tamin’ny 6 ora maraina ny korontana ary naharitra adiny telo mahery teo izany ka tokony ho tratran’ny mpitandro filaminana tsara », hoy ny rahalahin’ny maty.
Miteraka resabe ity raharaha Tanambao Tsirandrano ity, ankehitriny, ka ho hita eo ny fivoaran’ny toe-java-misy.

Andry F.

Partager sur: