Vokatra “Vita malagasy” : Nentanina hanjifa ny mponina

Nidina ifotony, nifampitakosina amin’ny mpiompy sy ny mpandraharaha ny minisitry ny Fampiroboroana ny indostria sy ny varotra, Ralambofiringa David, ahafahana mahafantatra ny filan’izy ireo. Tafiditra amin’ny fanatsarana ny kalitaon’ny vokatra izany. Samy nanentana ny rehetra ny minisitra sy ny governoran’ny faritra Vakinankaratra, VyVato Rakotovao, tao Antsi­rabe, ny herinandro teo, momba ny vokatra vokarina. “Aleo manjifa ny vokatra malagasy rehefa hividy ihany”, hoy izy ireo. Nohenoina tamin’izany koa ny olana sy ny hetahetan’ireo tantsaha. Nitsidika ny seha-pihariana ronono eo anivon’ny Socolait sy ny tetikasa Odof teny Andranomanelatra koa ireto delegasionina ireto. Voatsiahy tamin’izany fa efa vita sonia ny sata mifehy ny ronono ary ilaina ny fanamafisana ny fampanarahan-dalàna mba hananana kalitao tsara. “Eo koa anefa ny fanovana toe-tsaina”, hoy izy ireo. Nojerena koa ny andrana atao amin’ireo milina manodina voankazo. Hentitra amin’ny fanahara-maso sy ny fitantanana mangaraharaha ireto milina ireto ny tomponandraiki-panjakana. Efa mipetraka koa ny paikady amin’ny lalam-barotra.

Synèse R.

Partager sur: