Nanatanteraka fivoriana voalohany tetsy amin’ny Lapan’ny tanàna Analakely ireo ben’ny Tanàna mpikambana ao amin’ny Ivom-panajariana an’Antananarivo sy ny manodidina (Ipam), omaly. Fotoana nahafahana nijery vahaolana mahakasika ny fitaterana sy ny fitantanana ny fako ary ny Jirama. Lohahevitra nodinihina ny fiantraikan’ny fitaterana amin’ny tontolo iainana sy ny vidiny. Teo koa ny fitantanana ny fako. Tanjona ny hamantarana ireo fanamby iombonan’ny kaominina sy hametrahana vahaolana mifanaraka amin’izany.
Mavesatra ny fandaniana amin’ny fandraofana ny fako ary tsy mbola misy ny rafitra manodina izany eto Madagasikara. Nanapa-kevitra ny kaominina 12 amin’ny 38 fa hanao appel d’offres amin’ny orinasa na fikambanana vonona hanodina izany. «Efa nifampiresahana tamin’ny minisitera misahana izany ny fenitra sy ny antontan-taratasy ilaina amin’izany», hoy ny ben’ny Tanànan’Antananarivo sady filoha mpitantana ny Ipam. «Miainga eto Antananarivo ny fandaminana anatiny sy ny ara-bola ary ny rafitry ny fitaterana», hoy kosa ny filoha lefitra sady ben’ny Tanànan’ Ambohidratrimo, Raherimanantsoa Feno. Ankoatra izay, tapaka fa hampitoviana ny lamandy ho an’ny mpitatitra, saingy samy hanapaka ny azy avy ny kaominina momba ny saram-piantsonana. Nambaran’izy ireo fa tsy nandoa saram-piantsonana nandritra ny dimy taona ny taxi-be sy taxi. Entanina ny rehetra handoa ny anjara adidiny mba hanatsarana sy hampandrosoana ny tanàna. Voaresaka koa ny taxi-moto sy ny taxi-bisikileta. Mivelona amin’ireo asa ireo ny tokantrano 10 000 mahery ka mila jerena tsara ny fanapahan-kevitra. Tanjona ny hananana tanàna mirindra sy milamina hahafa-po ny vahoaka.
Mino