Fotoam-pahatsiarovana : Hosokafana etsy amin’ny Kianja Barea ny 29 marsa

Homarihina ny 29 marsa izao ny faha-78 taon’ny tolom-panafahana 1947. Nambaran’ireo komity mpikarakara fa natao hetsika nasionaly ho fahatsiarovana sy fanamafisana ny soatoavina izany ka hotsarovana amin’ny toerana telo samihafa.

Hanamarika ny fandaharam-potoana ho an’ny eto Antananarivo ny fanokafana amin’ny fomba ofisialy izany, ny 21 marsa, etsy amin’ny Kianja Barea Maha­masina. Hiaraka amin’izany koa ny any Moramanga. Hito­hy amin’ny fizaham-pahasalamana maimaimpoana ho an’ ny mpiady tia tanindrazana mbola velona sy ny zokiolona mihoatra ny 50 taona izany. Hatramin’ny 27 marsa kosa ny fampirantiana momba ny to­lom-panafahana. “Natao hisarihana ny sain’ny olom-pirenena, indrindra ny tanora, mba hahafantaran’izy ireo sy handovany ny tantara izany. Eo koa ny fampirantiana mitety sekoly”, hoy ny mpikarakara.
Hotanterahina ny 22 marsa, eny amin’ny fiangonana Advantista Soamanandra­riny, ny fotoam-pivavahana ary mbola hitohy ny 23 marsa etsy amin’ny Katedraly Ando­halo izany hotarihin’ny avy amin’ny FFKM. Tahaka izany koa ny any Moramanga, ao amin’ny FJKM Fitiavana.

Horonantsary manasongadina ny tolona 1947
Hatao ny 29 marsa ny fa­metrahana fehezam-boninkazo amin’ny toerana manan-tantara, ho fanomezam-boninahitra ireo mahery fo eny amin’ny fasan’ny mahery fo, eny Mausolée, ialohavan’ny etsy amin’ny tsangambaton’ny MDRM, Ambohijatovo. Hiza­rana solombodiakoho sy fanomezana ireo bekotromaroholatra mandritra ny hetsika.
Hatao ny 25 hatramin’ny 27 marsa ny fampirantiana ny tolom-panafahana ao amin’ny akany Fiadanantsoa, Mora­manga. Arahan’ny fizaham-pahasalamana maimaimpoana ho an’ireo tia tanindrazana sy zokiolona mihoatra ny 50 taona koa. Ny 29 marsa ny fametrahana fehezam-boninkazo eny fasan’ny maherifo Ampanihifana sy ny eo amin’ny tsangambato 1947. Fande­fasana horonantsary manasongadina ny tolom-panafahana tamin’ny 29 marsa kosa ny hariva. Mitovy amin’izany koa ny hetsi-pahatsiarovana hatao any Manakara.

Synèse R.

Partager sur: