Nambaran’ny eo anivon’ny orinasa Societé des amis de Madagascar fa amin’ny fotoan-tsarotra no tena hanaporofoana ny firaisankina sy hahalalana ny tena namana. Nampiharin’izy ireo izany ka nitondra fanampiana ho an’ny vahoaka traboina noho ny rivodoza tany Morondava, Menabe, ity orinasa tantanin-dRajoelina Patrick ity.
Tafiditra amin’ny famaliana ny antso avo nataon’ny filohan’ny Repoblika, taorian’ny nandalovan’ny rivodoza Honde ka naha traboina olona maherin’ny 45 000 ny hetsika.
Nankasitraka manokana ireo namana sy tomponandraikitra ambony mpitantana orinasa nanohana sy nanampy tamin’izany, ny mpanorina ny Societé des amis de Madagascar.
Anisan’izany ny Groupe Axian ⁃ Baobab Café (hôtel à Morondava) ⁃ Canal Plus Madagascar ⁃ Groupe Fraise & Fils ⁃ Groupe Hina ⁃ Société ITracker ⁃ Société Makiplast ⁃ Groupe NP Akadin ⁃ Groupe OTI. Nankasitrahin’izy ireo koa ireo mpitondra fanjakana isan-tokony any an-toerana sy ny ekipan’ny BNGRC, ny ONG Suisse Helvetas nisahana ny fandraisana sy ny fikarakarana ny lafiny ara-pitaovana, ny depiote sy ny loholona.
Synèse R.