Aretina mbola fahita sy mitoetra amin’ny ankamaroan’ny tany andalam-pandrosoana ny aretina tsinontsinoavina. Misy sokajy maro izy ireo. Eo ny aretina toherina amin’ny alalan’ny fihinana fanafody faobe, toy ny bilarziozy, kakan-tsinay, sakoitra, ary ongobe. Sokajy faharoa ny aretina sitranina amin’ny alalan’ny fandraisana an-tanana ireo tranga. Ahitana ny aretin-koditra samihafa, toy ny habokana, parasy lafrika, vanin-taolana, voavary ary haromotana. Amin’ny ankapobeny, mbola hita eto Madagasikara avokoa ireo karazana aretina atao tsinontsinona ireo. Anisan’izany ny aretina antsoina hoe Ongobe na filariose.
“Azo avy amin’ny kankana sy mifindra amin’ny alalan’ny kaikitry ny moka ny mahatonga ny aretina”, hoy ny mpitsabo iray etsy 67Ha, Rakotonindrina Norbert, raha nanaovana fanadihadiana. Rehefa voakaikitry ny moka ny olona iray dia lasa mahazo ny sosokoditra sy ny lalandra madinika izany. Lasa lehibe ny tongotr’ilay olona voan’ny aretina, fantatra amin’ny anarana hoe: “elephantiasis”, ny tena fisehon’ny aretina amin’ ny ankapobeny. Ankoatra izay, mety hivonto sy ho lasa ngeza ihany koa ny any amin’ny ankasarotana na eo amin’ny nonon’ilay olona. Nambaran’ny mpitsabo fa mety hahazo ny avokavoka sy ny maso ihany koa io aretina io rehefa tena mananosarotra.
Tsy mibontsina ao anatin’
ny fotoana fohy anefa ny tongotra fa mivoatra tsikelikely ary mety aman-taonany. Tsy mety miverina amin’ny laoniny intsony ny haben’ny tongotra na efa sitrana rehefa avy nihinana fanafody aza. “Mitovy valaka amin’izany ihany koa ny ao amin’ny ankasarotana na bonga indrindra ny vihy. Mety ho voan’ny ongobe ihany koa ny vehivavy. Mety hibontsina tsikelikely ihany koa ny mahavehivavy sy ny nono. Mety hibontsina ny rantsan-tanana na ny tongotra», hoy Nely José Alphone, mpitsabo.
Mahatratra 120 tapitrisa ny isan’ny olona voan’ny aretina ongobe maneran-tany.
Tafiditra ao anatin’izany ny firenena aty Afrika, Asie, Amerika Afovoany sy Atsimo. Ho an’ ny eto an-toerana, ahitana azy io avokoa ny distrika 104 eto amin’ny Nosy. Amin’ny ankapobeny, any amin’ny faritra Atsinanan’ny Nosy no tena ahitana io trangan’aretina io. Anisan’ izany, ny any Nosy Varika, Mananjary sy ny maro hafa. “Antony mahatonga izany ny fahaveloman’ny moka izay mampifindra ny aretina any amin’ireo faritra ireo”, hoy ny mpitsabo. Mateti-pitranga io aretina io raha oharina amin’ny trangana aretina hafa izay ataon’ny olona tsinontsinona. Tombanana ho 69,6% amin’ny vahoaka malagasy no voan’io aretina io, raha ny tatitra navoakan’ny OMS.
Azo tsaboina tsara ny aretina raha hita mialoha
“Azo tsaboina tsara ny aretina, raha hita mialoha ny fotoana», hoy hatrany ny mpitsabo. Mbola azo tsaboina ny ongobe raha toa ka tsy mbola tsentsina ny lalandra. Mihinana fanafody raha vao fantatra fa tafiditra ao amin’ny lalandra ny atodin-kankana na bibikely. Efa tara kosa raha sendra efa mibontsina ny tongotra satria efa tsentsina ny lalandra ary tsy miverina intsony ny haben’ ny tongotra. Efa ngezabe ny tongotra vao mahatsapa ilay olona fa voan’ny aretina. Mety ho lasa tsy mahita tsara ny maso, lasa sempotra sy mikohaka lava ihany koa ilay marary rehefa mitombo ny aretina. Ankoatra izay, azo atao amin’
ny alalan’ny fihinana fanafody mahomby isan-taona sy fanaovam-baksiny ho an’ny biby, ny fanofanana ireo mpiasan’ny fahasalamana ary ny fandraisana andraikitry ny tsirairay manoloana ny ady atao ny fanafoanana ny aretina. Marihina fa tsy mihena intsony ary tsy miverina amin’ny laoniny ny haben’ny tongotry ny marary.
Tsy fantatra mialoha ny soritraretina
Misy ireo olona voan’ny aretina dieny mbola kely saingy tsy hita soritra. Hany ka miseho izany rehefa mitombo ny taona. Toy ny mahazo ny marary rehetra, misy soritraretina ihany mahazo ilay olona voan’ny ongobe. Toy ny aretina an-doha, fanaviana, mety hanakotsako ny vanin-taolany. Nohamafisin’ny mpitsabo fa ilaina hatrany ny fanatonana toeram-pitsaboana rehefa misy tsy azoazo eo amin’ny vatana. Tanjona ny hahafahana mijery sy mamantatra ny aretina dieny mbola tsy mananosarotra. Ankoatra izay, betsaka ny aretina mitovy soritraretina amin’io fa anjaran’ny mpitsabo ny mamafantatra izany.
Manatody ao anatin’ny lalandra ilay kankana rehefa lehibe. Voatelin’ny moka miaraka amin’ny ra ny atodin-kankana kely rehefa mitsentsitra ny ran’ny olona izy ireny. Mifindra ny atodin-kankana rehefa manaikitra olon-kafa indray ilay moka. Tsingerim-pahaveloman’ny kankana ao anatin’ny vatana izany. Fotoana fohy ihany izy ny ao anatin’ny moka. Misoko mangina rehefa tafiditra ao anatin’ny vatana ny atodin-kankana ary mihalehibe ao anaty ra sy mahazo aina tsikelikely. Izy io dia biby fetsy satria mahay mifidy fotoana.
Nanatontosa : Mino