Fifanintsanana «Mondial 2026» : Nomontsanin’ny Barea ny ekipan’i Centrafrique

Nanakoako nanerana an’i Afrika alina, ny lazan’i Madagasikara. Nomontsanin’ny Barea de Madagascar, tamin’ny isa mazava 4 no ho 1 ny Les Fauves-n’i Centrafrique. Fihaonana hiadian-toerana ho an’ny «Mondial 2026», taranja baolina kitra. Niverina indray ny lazan’i Madagasikara.

Afaka ny andro ratsy ho an’ny Barea de Mada­gascar. Taorian’ny faharesena misesisesy nahazo ny ekipam-pirenena malagasy, niverina niarin-doha indray izy ireo ka nibata fandresena omaly. Lavon’ny Barea, tamin’ny isa mazava 4 no ho 1 ny Les Fauves-n’ny Centrafrique. Fihaonana, tafiditra amin’ny andro fahadimy hiadian-toerana ho an’ny «Mondial 2026», notanterahina omaly alina tao amin’ny kianja Larbi Zaouli, Maroc.
Baolina roa tafiditr’i Rayan, kapitenin’ny ekipa ma­lagasy teo amin’ny minitra faha-17 sy ny faha-20 ny fidirana voalohany. Nampian’i Arnaud Ya Ya, minitra faha-48 sy ny an’i Lalaina, teo amin’ny faha-88 minitra.
Ry zareo Centrafrique anefa no nanokatra ny isa, ta­min’ny alalan’ny « coup franc » teo amin’ny minitra faha-9, ka tafiditr’i Gamboro.
Tamin’ny ankapobeny, nanjakan’ny Barea de Mada­gascar ny fihaonana. Tsy nahavita mihitsy ny Les Fau­ves. Tsara rafitra ny fiarovantena malagasy nahitana an’i Marcelin sy i Fontaine ary i Rado niampy an’i Morgan. Nandrindra ny fanafihana teo afovoan’ny kianja kosa i Rayan sy i Marco ary i Cou­turier. Tany aloha nahitana an’i Lapoussin sy i Arnaud (Ya Ya).
Hain’ny Malagasy ny na­mezivezy ny baolina niainga any aoriana mandalo ny afovoan’ny kianja ary mitady ireo lohalaharana. Sahirana ry Cedric sy ry Axel nanakana ireo lohalaharana malagasy, tamin’ny tolotra haingam-pandeha. Nitsitapitapy ny fanafihan’ny Les Fauves, notarihin’i Geoffrey, mpilalaon’ny Olym­pique de Marseille saingy tsy nandingana teo anatrehan’i Marcellin, anisan’ny mpilalao nisongadina ho an’ny Barea. Nanolo mpilalao i Corentin Martins, teo amin’ny fidirana faharoa, ka nampiditra an’i Lalaina sy i Njiva ary i Baggio, teo amin’ny fidirana voalohany. Nahazo isa 3 ny Barea taorian’ity fandresena ity ka lasa manana isa 10. Amin’ny alatsinainy ho avy izao, hifandona amin’i Ghana ny Barea. Lalao atao any Maroc hatrany.

Tompondaka

Partager sur: