Hiditra amin’ny andiany faharoa, ny fampiofanana ireo mpampianatra ny taranja karate, hahazoana ny mari-pahaizana DAF “Diplôme d’Animateur Fédéral”. Fampiofanana izay hanomboka ny 5 avrily izao ary haharitra hatramin’ny 10 mey izao, hatao eny amin’ny ANS (Académie Nationale des Sports). Ny alahady 11 mey kosa no hanatanterahana ny fanadinana mialoha ny hanomezana ny mari-pahaizana. Efa misokatra ny fisoratana anarana ary voafetra ny toerana, araka ny nambaran’ny filohan’ny faederasionina ny Karate-do Malagasy (FKM), Ratefinanahary Emile. Fanamby napetraky ny FKM ny hampiakatra ny lentan’ny taranja karate, ka antoka iray hahafahana manatanteraka izany ny anton’izao fampiofanana izao.
Tsiahivina fa efa nisy ny andiany voalohany izao natao ny faran’ny volana febroary sy ny fiandohan’ny volana marsa teo, ka mpiofana 18 mianadahy no nahazo ny mari-pahaizana DAF ary efa afaka mizara ny traikefany eny anivon’ny kliobany sy ny dojo hiasany avy. Hitohy amin’ ny DIF na ny “Diplôme d’Instructeur Fédéral” sy ny fangalana ny “Brevet d’Etat” ity fiofanana ity ary ho matihanina tanteraka ny mpampianatra ny taranja Karate eto Madagasikara.
Mi.Raz