Nanary zaza tetsy Befelatanana : Hatolotra ny fitsarana ny ray aman-dreniny

Mirongatra ny fahitana zaza menavava narian-dreniny eny an-dalana, anaty fako, anaty lavapiringa sy ny maro amin’izao fotoana izao. Hiharan’ny lalàna ary mitarika amin’ny fanagadrana tanteraka ny fanaovana izany. Miatrika fanadihadiana etsy amin’ny PMPM Tsaralalàna ireo ray aman-dreny nanary ny zanany tetsy Befelatanana.

Miatrika fanadihadiana etsy anivon’ny Poli­sim-pirenena misahana ny fiarovana ny ankizy (PM PM) etsy Tsaralalana, omaly hariva, ny ray aman-drenin’ilay zaza 7 volana nisy nanary tetsy Be­fe­la­tanana, ny 16 marsa teo. Tao­rian’ny fanaparitahana ny sary sy fampi­antsoana azy ireo tonga nitolo-batana tany amin’
ny polisy izy ireo. Anton’ny fa­nadihadiana atao amin’izy ireo ny nanaovan’izy ireo tandrevaka ka nahatonga ny zanany ho very. Atolotra ny fampanoavana kosa izy ireo aorian’ny fanadihadiana atao aminy.
Navelan’ny ray aman-dreniny teny akaikin’ny Maternité Befelatanana, ny alin’ny 16 marsa lasa teo, ny zaza vao fito volana monja. Olona tsara sitrapo sendra nandalo no nahita ary nampandre avy ha­trany ny Kaomisarian’ny Bori­bo­rintany fahadimy (CSP5). Nentin’ny polisy notsaboina teny amin’ny hopitaly HJRA ilay zaza taorian’izay. Nahita­na kitapo iray niaraka taminy ary hita tao ny antontan-taratasy ahafantarana ireo ray aman-dreniny.
Zaza iray nisy nanary teny amoron-dalana

Ankoatra izay, nahitana zazakely latsaka nisy nanary teny amoron-dalana ihany koa tetsy Ankadiefajoro, Ambohi­man­ga­kely, afakomaly. Nam­pi­ara­han’ireo olona namela azy teny an-toerana tamin’ny entan-keliny ihany koa io zaza io. Mbola tsy fantatra ny ray aman-dreny nahavanon-doza hatramin’ny omaly.
Marihina fa voarara sy mampigadra ary handoavana la­mandy ny famelàna ho irery ny olona marefo, anisan’izany ny zazakely, araka ny fehezan-dalàna famaizana, andininy 349 sy 350. Voakasik’izany ireo olona na ray aman-dreny ma­nary na mamono ny zanany.

Mino

Partager sur: