Nivadibadika, nifatratra tanaty tanimbary ny fiara marika Renault 4 L tao amin’ny RN5A, PK 248 + 200 teo Antanamivony, fokontany Tsarahitra, kaominina Vohémar, ny alin’ny 16 marsa lasa teo, tamin’ny 9 ora sy 18 minitra maraina. Niainga avy any Antsirabe Avaratra, nikasa hihazo an’Ampanefena io fiara io. Olona miisa efatra nitaingina tao anatiny. «Nanapaka tampoka ny omby ka niezaka niala izany ny mpamily», araka ny fanazavana voaray tamin’ny zandary nisahana ny fanadihadiana ao an-toerana. Niala io biby nipoitra tampoka io ny mpamily. Nivoaka ny arabe ny fiara nentiny. Nivadika avy hatrany noho ny fijanonana tampoka. Nifatratra tany anaty tanimbary. Voa mafy ny iray tamin’ireo efatra tao anaty fiara. Nigadona teny amin’ny toerana nitrangan’ny loza ny ekipan’ny zandarimaria. Nentina teny anivon’ny CSBII Antsirabe Avaratra ilay voa mafy saingy tsy tana ny ainy. Tsy nisy nahiana ny ain’ireo telo hafa. Potika ny fiara nitondra azy ireo. Manentana ny mpampiasa lalam-pirenena hitandrina hatrany sy hanaja ny hafainganam-pandeha ahafahana misoroka ny loza tahak’ity nitranga teny amin’ny RN5A ity ny mpitandro filaminana.
Tsiferana R.