Voadonan’ny moto tetsy Ambatobe: Tapaka ny tongotr’ ilay niharan-doza

Naratra mafy voadona teo amin’ny tongony ny lehilahy iray niharan’ny lozam-pifamoivoizana tetsy Ambatobe, boriborintany fahadimy, omaly. Somary nisy fitohanana nidina ny lalana avy any Ambatobe nikasa hihazo an’Analamahitsy. Niampita ny arabe tampoka ilay lehilahy kinanjo nipoitra ilay moto. Nifatratra avy hatrany tamin’ny tongony. Tapaka ny ranjon’io mpantsaka rano io. Tetsy ankilany, nifatratra tamin’ny taxi-be ilay moto. Nentin’ny tsara sitrapo nihazo ny toeram-pitsaboana avy hatrany ilay naratra. Ankoatra io, mpitondra moto nifampisokirana tao ambanin’ny taxi-be 144 teo Tsaralalàna, omaly atoandro. “Tsy voatanan’ilay mpitondra moto intsony ny familiana ka nidona tamin’ilay fiara”, hoy ny nanatri-maso. Naratra io mpitondra moto io ka nentina nihazo ny hopitaly. Tsy nisy aina nafoy. Miseholany tato ho ato ny lozam-pifamoivoizana ateraky ny tsy fitandremana sy ny tsy fanajana ny lalàn’ny fifamoivoizana. Ilaina hatrany ny fitandremana hisorohana ny loza.

Tsiferana R.

Partager sur: