“Miandry ny didim-panjakana havoakan’ny governemanta izao isika ny amin’ny fanaikana mpifidy”, hoy ny mpampakatenin’ny Ceni, Andriamarotafika Soava, teny Alarobia, omaly, nanontaniana ny amin’ny fifidianana kaominaly haverina. Efa nisy volavolan-kevitra naroson’ny Ceni any amin’ny governemanta ny amin’izay fifidianana kaomianaly haverina izay. Ny antony hoe mety mbola tsy hamoahan’ny fanjakana izay fanaikana mpifidy izay dia fiandrasana ny didin’ny Filankevi-panjakana amin’ireo fitoriana sasany momba iny fifidianana kaominaly iny. Any amin’ny faramparan’ny volana mey any no heverin’ny Ceni hanatanterahana izay fifidianana kaominaly haverina izay. Tokony ho alohan’ny fifidianana loholona izany.
Manana 30 andro aorian’ny nametrahan’ny Ceni ny volavolana tetiandrom-pifidianana ny governemanta. Tsy maintsy hajaina ny fe-potoana hanaovana fampielezan-kevitra, fa tsy misy inona miova: ny kandidà, ny biletà, ny lisi-pifidianana. Efa misy koa ny famolavolan’ny Ceni ny fanatanterahana ny fifidianam-paritra: filoham-paritra na governora, mpanolotsaim-paritra. Mialoha ny fifidianana loholona koa izay. Satria anisan’ny mpifidy vaventy ireo olom-boafidy eny anivon’ny faritra. Efa fanirian’ny maro rahateo ny hoe olom-boafidy no mitantana ny faritra, ary ilaina ny filankevi-paritra handinika sy hanapa-kevitra amin’izay hatao. Ao natin’ny vondrombahoakam-paritra itsinjaram-pahefana ny faritra. Tsy maintsy hatao amin’ity taona ity koa ny fifidianana loholona, izay tapitra fe-potoam-piasana.
R. Nd.