FANTINA sy FINTINA

Hatsaraina ny asam-pitsarana, hanamafisana ny ady amin’ny kolikoly. Nivoitra izany tamin’ny nandraisan’ny minisitry ny Fitsarana, Rakotomandimby Benjamin Alexis, ireo mpitantana ny fitsarana avy any Menabe, teny Faravohitra. Eo koa ny fanaraha-maso hentitra ny raharaham-pitsarana anatin’ny mangarahara.

Nitohy ny hetsika fahatsiarovana ny tolom-panafahana 1947 ka notanterahina amin’ny alalan’ny fampirantiana mitety sekoly izany. Anisan’ny nanaovana izany ny teny amin’ny Lycée Belanitra Ilafy, kaominina Ankadikely Andrefana sy ny teny Andriamborona, Ambohimanga Rova. Niompana amin’ny fampahafantarana ny tantara sy ny fitiavan-tanindrazana izany.

Nampanantena ny ben’ny Tanàna ao Manja­kandriana, Razafindrakoto Solofo Jocelyn, fa hatao manara-penitra ny biraon’ny kaominina any an-toerana. Eo koa ny kianja filalaovam-baolina sy ny fanavaozana ny lalana mampitohy isam-pokontany sy ny kaominina manodidina. Manampy izany ny fanamboarana ny tsena, anisan’ny andrandrain’ny vahoaka.

Handraisana fepetra ireo zandary manimba ny endriky ny zandarimariam-pirenena, araka ny nambaran’ny kaomandy, ny Jly Rakotomalala Andriatahina Jean Herbert, afakomaly, tany Ambositra. Nohamafisiny fa tsy azo ekena ny fivilian-dalana. “Mendrika ny fitokisan’ny olom-pirenena isika amin’ny fanafoanana ny ahi-dratsy manimba ny zandarimaria”, hoy izy.

Partager sur: