Mirona tsikelikely any amin’ny fitiavana ny tantara sy ny fombany ny Malagasy. Na tsy nahatafita hafatra loatra aza ny teo aloha, nikaroka ny taty aoriana. Tsara ny mikaroka fa mila atao tsy tapaka ny fandalinana. Tsy mijanona eo amin’ny fahitana voka-pikarohana tokana. Anisan’ny mahamaika ny momba ireo singa mampiavaka ny fiarahamonina malagasy (teny, tany, fomba amam-panao …). Raha ireo no hananana voka-pikarohana maro, hisy fiovana goavana ny isam-pianakaviana, ny isam-bohitra…
Manana tantara nosoratan’ny vahiny i Madagasikara sy ny Malagasy. nanao ny ainy tsy ho zavatra ihany koa ny mpampianatra sy mpikaroka teratany malagasy. Saingy, anisan’ny mbola mametraka olana, nisy nanana tombontsoa manokana narovana, hany ka namily ny tantara. Na, nampifangaroharo ny tena zava-nisy marina.
Raha mahay manararaotra ny fivoaran’ny teknôlôjia ny mpikaroka miaina amin’izao vanim-potoana izao, mety hanan-karena be ny voka-pikarohana havoakan-dry zareo. Na izany aza, mila hamaroina ihany koa ny mpikaroka isan-tsehatra. Lehibe indrindra amin’izany ny fampiasana ny raokandro.
HaRy Razafindrakoto