Naneho ny hagagany tamin’ny tatitry ny filankevitry ny minisitra farany teo ny filoha nasionalin’ny antoko Malagasy miara-miainga, Andrianainarivelo Hajo. Tsy nitsitsy fitenenana izy tamin’izany.
Nohitsiny fa tsy mba nasiana resaka mihitsy ny momba ireo havana sy ireo Malagasy any atsimon’ny Nosy, traboina ary anatin’ny fahasahiranana lalina taorian’ny nandalovan’ny rivodoza indroa miantoana : Honde sy Jude. “Tena gaga mihitsy izahay… Mandalo ihany ireo karazana fivoriana sy fihaonana an-tampony, toy ny Vaomieran’ny ranomasimbe Indianina – COI – na koa ny Sadc hatao eto Madagasikara. Ny vahoaka kosa anefa mitoetra ka tokony hatao laharam-pahamehana ary maika ny fampiasana ny volam-panjakana manoloana izao voina eto amin’ny firenena izao”, hoy izy.
Tsiahivina fa mbola manampy trotraka izany ny orambe nikija tamin’ny faritra maro ka nitera-pahavoazana amin’ny lafiny rehetra, tato anatin’ny andro vitsivitsy. Anisan’izany ary tsy lavitra ny Renivohitra ny fahavakisan’ny reniranon’i Sisaony.
Namoizana aina sy naharavana trano…
Nahafatesana olona telo hatreto. Miisa 2 000 mahery ireo trano fonenana dibo-drano tanteraka. Enina ireo trano rava sy nirodana tanteraka ary latsaky ny iray alina ireo traboina amin’izao fotoana izao, noho ny ora-nikija.
Araka izany, andrasana indray ny tatitry ny filankevitry ny minisitra amin’ity indray mandeha ity manoloana ireo fahavoazana mihatra amin’ny mponina ireo, amin’izao fotoana izao.
Synèse R.