Lozam-pifamoivoizana – RN1 : Mpandeha iray namoy ny ainy

Niforitra ny lohan’ny fiara iray nifandona tamin’ny kamiao teny amin’ny lalam-pirenena voalohany, PK 92+400, teo Lalantapaka, fokontany Amboalefaka, kaominina Miarinarivo II, ny harivan’ny 24 marsa teo, tamin’ny 5 ora. Nifanena tao anaty fiolahana ny fiara mpitatitra entana iray avy any Analavory nikasa hihazo ny Renivohitra sy ilay kamiao nifanoha-dalana taminy. Mafy ny fifandonana ka nivarina tany anaty hantsana ny fiara roa. Mpandeha iray potsitra ka tsy tafavoaka tao anatin’ny fiara intsony ka voatery nosokirina. Nihosin-dra ity farany ary nitarika ny famoizany izany. Tsy fitandreman’ireo mpamily roa tonta no voalaza niteraka ny loza, raha ny voka-panadihadiana nataon’ny zandary. Tetsy ankilany, naratra ny mpamily io fiara mpitatitra entana io, ilay mpitondra kamiao ary ny mpanampy azy. Tsy nisy nahina ny ain’izy ireo. Nentina namonjy ny CHRR Itasy avy hatrany ireo naratra. Hiroso amin’ny famotorana ireo mpamily roa niharan-doza ny zandary aorian’ny fitsaboana azy ireo. Naiditra ambalampamonjana avokoa ireo fiara nitera-doza.

Tsiferana R.

Partager sur: