Manamafy ny fahaiza-manao amin’ny fitantanana ny fako ny eo anivon’ny kaominina renivohitra Morondava. Natolotra tamin’ny fomba ofisialy omaly ny kamiao iray lehibe fitaterana fako. Tafiditra amin’ilay tetikasa «AF/SEA MOR’AF” izany ary tohanan’ny ONU-Habitat sy ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT).
Nambaran’ny mpandrindra ny tetikasa eo anivon’ny Firenena mikambana, Andriatsimihetry Sandrine, fa manamarika ny fiafaran’ny fanaraha-maso ny tetikasa izao fanomezana ho an’ny kaominina Morondava izao. “Mikendry ny hanamafisana ny fiatrehan’ny tanàn-dehibe ny fiovaovan’ny toetr’andro”, hoy izy.
Ho hentitra amin’ny fitantana ny fitaovana
Miara-miasa amin’ny fanjakana, amin’ny alalan’ny MFFT sy ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovain-jafy (Medd), ny fanatanterahana ny tetikasa. Manamafy ny fandraisan’ izy ireo anjara amin’ny fanatsarana ny fiarovana ny tontolo iainana izany.” Entanina isika mba ho hentitra amin’ny fitantanana ny fitaovana napetraka tahaka izao”, hoy izy ireo.
Tsiahivina fa tohin’ny ezaka efa natao nanomboka ny taona 2023 izao, anisan’izany ny fanavaozana ”mangrove” mirefy 182 ha sy ny fanomezana fitaovana ho an’ny fanadiovana ny tanàna. Fitaovana fanampiny amin’ny fiatrehana ny olana ara-tontolo iainana sy ny fanatsarana ny fari-piainan’ny mponina any an-toerana ny fahazoana ity kamiao ity.
Synèse R.