Bodybuilding-Big Mada : Vonona ny mpikatroka handray anjara

Hotontosaina ny sabotsy 29 marsa izao, eny amin’ny Mining Business Center Ivato, ny fiadiana ny ho tomponda­kan’i Madagasikara taranja Bodybuilding “Big Mada”. Efa vonona sy efa fantatra avokoa ireo mpandray isam-paritra izay samy nahavita ny fifaninanana rezionaly tamin’ity volana marsa ity. Anisan’ny vao avy nahavita ny anjarany ny alahady 22 lasa teo ny teo anivon’ny ligin’Analamanga tao anatin’ny “Big Tanà” Ary tena nafana ny fifanandrinana teo amin’ireo atleta nahafahana nitsonga izay solontenan’Analamanga hiatrika ity fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara hatao ny sabotsy ho avy izao ity. Tsy ambakan’izany ihany koa ireo atleta avy any amin’ny faritra, toy ny any Itasy, Boeny, Atsi­nanana, Amoron’i Mania sy ny maro hafa. Tsiahivina fa fifaninanana zava-dehibe ho an’ny atleta ity “Big Mada” ity satria hitiliana izay ho solontena malagasy hiatrika fifaninanana iraisam-pirenena, toy ny fiadiana ny tompondaka maneran-tany. Hisy fizarana T-Shirt ho an’ireo mpijery 50 tonga voalohany mandritra ny fifaninanana, avy amin’ny Paramad, Eric Favre ary ny Federasionina malagasin’ny Bodybuilding sy ny GNS.

Mi.Raz

Partager sur: