Voapoizina tamin’ny sakafo : telo mianaka namoy ny ainy

Samia mitandrina! Mahazo vahana ny fanapoizinana ara-tsakafo. Telo mianaka indray no niara-namoy ny ainy, omaly. Voalaza fa nihinana ”mortadelle” izy ireo. Misokatra ny fanadihadiana.

Olona telo mianaka nia­ra-namoy ny ainy tao amin’ny hopitaliben’i Toamasina, afakomaly. Maty vokatry ny fihinanana sy tsy fahazakana mortadelle izy ireo, raha ny angom-baovao voaray. Namoy ny ainy izy ireo telo andro taorian’ny nihinanana sakafo nafangaro tamin’ny mortadelle, ny alahady hariva.
Nividy mortadelle tamin’ny trano fivarotan-tsakafo lehibe iray ao Toamasina ny fianakaviana, ny alahady maraina lasa teo. Nanamboarana sakafo hohanina mandritra ny fankalazana ny fitsingerenan’ny taonan’io zazavavikely 11 taona maty io, ny alahady atoandro. Efa nanomboka narary izy telo mianaka ny alahady hariva taorian’ny fety. Tsy mbola nanatona mpitsabo fa niezaka nitsabo tena teo anivon’ny tokantrano ihany. Tsy nahitana fiovana anefa ny aretina fa vao mainka niha nihombo. Tapa-kevitra nanatona toeram-pitsaboana tsy miankina izy ireo ny alatsinainy maraina. Nangataka ny hivoaka ary nitsabo tena tany an-trano ny talata. Nihombo ary nivadika nandoa sy nivalana ireo narary ny alarobia ka tsy maintsy naiditra hopitalim-panjakana. Namoy ny ainy avy hatrany anefa ilay zazavavikely 11 taona vao tonga tany amin’ny hopitalibe. Namoy ny ainy nanaraka azy ny vehivavy 30 taona, renin’ilay zaza ary maty farany ny reniben’ilay zaza, 58 taona.
Nalefa notiliana eto Antananarivo
Nandray fepetra avy hatrany ny eo anivon’ny BMH ao amin’ny kaominina ambanivohitr’i Toamasina taorian’ny tranga. Nakana singany avokoa ny mortadelle namidin’ny trano fivarotana lehibe rehetra any an-toerana. Nentina aty Antananarivo, eny anivon’ny Institut Pasteur ny singa rehetra mba hatao fitiliana. Ho fantatra aorian’izay raha ny fihinanana ny mortadelle tokoa no nitarika ny fahafatesan’izy ireo na tsia.

Mino /Sajo

Partager sur: