Tsarafara-Avaradrano: Namoy ny ainy ilay zandary main’ny herinaratra

Nidiran-doza tampoka ny raim-pianakaviana iray 35 taona, zandary iray tao Tsa­rafara, kaominina Sabotsy Namehana, distrikan’Avara­drano, ny alarobia 26 marsa teo. Nanadiodio ny tranon’ny biby fiompiny io lehilahy io. Tsy nanampo na inona na inona izy. “Nikirakira jiro izy kinanjo tariby tsy nifono ka nandoro azy, tamin’ny 9 ora sy sasany maraina teo”, hoy ny fanazavan’ny fianakaviany. Nifamonjen’ny fianakaviany nentina teny anivon’ny toeram-pitsaboana io zandary vao 35 taona monja io. Natanjaka loatra ny herinaratra nandoro azy ka niteraka fahasarotana tamin’ny vatany izany. “Nentina teny amin’ny hopitaly Anosiavaratra izy saingy tsy tana ny ainy”, hoy ny loharanom-baovao. Nen­tina nody ny vatana mangatsiakany taorian’izay. Namela kamboty mirahavavy io raim-pianakaviana io. Anisan’ny zandary notsongain’ny mpiara-monina eny an-toerana ho anisan’ny tsotra sy nahay niara-niasa tamin’ny mpiara-belona izy. Nentina nihazo ny tanindrazany any amin’ny kaominina Ambohitrabiby izy.

Tsiferana R.

Partager sur: