Nanomboka ny alarobia 26 marsa teo, eny amin’ny Petit Palais Mahamasina, ny fifantenana ireo Malagasy atleta eo amin’ny taranja volley-ball. Hiatrika ny CJSOI, hatao any Seychelles, ny volana jolay izao izy ireo. Atleta 36 avy eto Analamanga no nanomboka nivondrona voalohany, mandra-piandry ireo avy any amin’ny faritra, araka ny fanazavan’ny Tale teknika nasionaly, Raoelison Hasimbola. Ireo ankizy efa tazana tamin’ny fifaninanam-pirenena, ho an’ ny sokajy latsaky ny 16 taona sy 18 taona tamin’ny taom-pilalaovana 2024, miampy ireo nalefan’ny kliobany tsirairay ireto hanaovana ny fifantenana ireto. Hitohy ny 2 avrily ny fifantenana faharoa, ka ny 20 amin’ireto mpilalao avy eto Analamanga ireto no ho voatazona ary hiampy ireo avy any amin’ny faritra, raha ny fandaharam-potoana. Miandry ny fahavitan’ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, sokajy U18, izay hatao ny 12 hatramin’ny 19 avrily izao, eto Antananarivo, kosa ny fifantenana manaraka, raha ny fanazavana hatrany. Araka ny fantatra, Malagasy mpilalao miisa12 no handrafitra ny lisitra farany amin’ny ekipam-pirenena malagasy, taranja volley-ball, hiatrika ny CJSOI hatao any Seychelles, ny volana jolay ho avy izao.
Mi.Raz