Lavon’ny balan’ny polisim-pirenena ny jiolahy telo mpanao asa ratsy teny Anosizato Atsinanana, ny alahady 30 marsa teo. Manoloana ny tsy fandriampahalemana mateti-pitranga sy mampitaraina ny mponina eny an-toerana, nanao hetsika manokana ny polisy eo anivon’ny SAG. Nanao fisafoana amin’ny alina ny ekipan’izy ireo ary nanao fanamiana sivily teny amin’iny faritra voasokajy ho faritra mena amin’ny tsy fandriampahalemana. Dimy lahy nitondra antsibe lavalela saika handroba mpiantsena vao maraina. Nifanehatra tamin’ny olon-dratsy izay nikasa hanao asa ratsy ny polisy. Tsy nanaiky ho samborina sady nampiasa antsibe teny aminy ireo jiolahy ireo. Voatery nitifitra ny mpitandro filaminana. Niparitaka ireo tsy valahara. Nanao tari-dositra.Voan’ny bala, nandritra izany, ny telo lahy. Tafaporitsaka ny roa lahy namany. Mitohy ny fikarohana ireo olon-dratsy. Nanamafy ny polisy fa tsy hilefitra velively amin’ireo jiolahy mpanao fandrobana. Mitohy ny hetsika ataon’izy ireo andro aman’alina hamongorana ireo tsy valahara.
Tsiferana R.