Fankalazana “12 janvier”: manamboninahitra efatra naratran’ny grenady

Manamboninahitra efatra, miasa ao amin’ny vondron-tobim-paritry ny zandary ao Fianarantsoa no naratra, omaly. Nipoahan’ny grenady mamparenin-tsofina, nentina namoha-mandry, tamin’ny fetin’ny manamboninahitra izy ireo.

Saika zava-doza no niseho tao amin’ny faritra Matsiatra Ambony, ta­min’ny fankalazana ny An­dron’ny manamboninahitra, omaly. Toy ny fanao mahazatra, izay niraisan’ny toby miaramila, misy tafika na zandary dia santarina amin’ny famoha-mandry izany. Samy ma­nana ny fomba amam-panaony ny tsirairay, arakaraka ny lamina notapahan’ny besinimaro. Nisafidy ny grenady mamparenin-tsofina na ny “grenade assourdissante” ny tao amin’ny vondron-tobim-paritr’i Fianarantsoa. Tsy fantatra mazava ny zava-niseho fa niteraka ratra tamin’ny manamboninahitra efatra ny fipoahana. Kolonely ny roa, kapiteny ny roa hafa. Tsy misy atahorana ny ain’izy ireo, ratra azo notsaboina tao amin’ny toeram-pizaham-pa­hasalamana, anaty toby ihany, araka ny angom-baovao natao avy amin’ny olon-tsotra tany an-toerana nampita ny vaovao.
Niezaka naka fanampim-baovao tamin’ny tomponandraikitra isan-tsokajiny tany an-toerana izahay, saingy tsy nahazo valiny avy tamin’izy ireo. Tsy afaka nanome fanazavana mahakasika izany ny zandarimaria ao an-toerana. “Tsy maintsy miandry alalàna avy any amin’ny lehibenay izahay vao afaka miteny”, hoy ny seraseran’ny zandarimaria ao an-toerana. Nisy ny manamboninahitra maromaro nantsoina, saingy nisafidy ny mangina, noho ny tsy fahafahana miteny ho fanajana ny rafitra an-tanantohatra misy eo anivon’ny zandarimariam-pirenena.
Taorian’ny voina, nitohy tamim-pilaminana sy tamim-pirahalahiana ny fety teo amin’ny manamboninahitra tany Fianarantsoa. Mila fitandremana!

Henintsoa H.

Partager sur: