Filoha Rajoelina Andry : “Hohamafisina ny fanampiana ny Foloalindahy”

Nomarihina, omaly, ny Andron’ny manamboninahitra eo anivon’ny tafika. Nam­baran’ny filoha Rajoelina An­dry tamin’izany, teny Iavo­loha fa mariky ny firaisankina sy ny fiombonam-po ireo ta­nora avy amin’ny faritra ma­nerana ny Nosy eo anivon’ny manamboninahitra. Nanteriny fa hohatevenina sy hamafisina hatrany ny ezaka efa natao. “Vonona hatrany izahay, amin’ ny maha filoha faratampon’ny Foloalindahy ny tenako ny hifanome tanana sy ny hanamafy ny fanampiana eo amin’ny fitaovana sy ny fiofanana, ahafahantsika manatontosa ny adidy amin’ny fiarovana ny firenena sy ny vahoaka ary ny fananany. Ho an’ny tanindrazana ny ataontsika rehetra”, hoy izy. Notsindriny fa manolo-tena ho an’ny tanindrazana ny manamboninahitra raha misy ny ambana.

Manamboninahitra tsara ofana
Tsara ofana sy reharehan’ny Malagasy ireo mivoaka eo anivon’ny Akademia Miara­maila any Antsirabe. Eo koa ireo nahazo fiofanana any ivelany, araka ny nambarany. Notsarovany manokana ireo any an-tany fiadiana manao ny adidy mampandry fahalemana any amin’ny faritra rehetra any. Tahaka izany koa ireo miasa eny anivon’ny sampandraharaha rehetra eto amin’ny firenena. “Rariny sy hitsiny raha manokana andro iray hanomezana hasina sy voninahitra azy ireo, mane­rana ny Nosy”, hoy ihany ny filoha.
Tsiahivina fa anisan’ny niatrika izany ny minisitry ny Fiarovam-pirenena, ny Jly Rakotonirina Richadr sy ny Seg, ny Jly Gellé Serge.

Synèse R.

Partager sur: