FANTINA sy FINTINA

Mampivarahontsana ny fihemoran’ny fanjakana tan-dalàna, araka ny fanehoan-kevitr’i Zazah Ramandimbiarison, omaly. “Mampiseho faharatsiana goavana amin’ny tsy fanajana ny lalàna ny tondro farany momba ny fanjakana tan-dalàna navoakan’ny World Justice Project”, hoy izy. Faha-112 amin’ny firenena 142 isika, araka ny nambarany…

Niantso ny hiarovana ireo mpiaro ny zon’olombelona, araka ny fangatahan’ny ONU-EPU ny avy amin’ny Fiacat sy ny Acat. Nivoitra izany tamin’ny fihaonan’ny filohan’ny Antenimierampirenena, Tokely Justin, tamin’ny filohan’io federasionina io, Rahari­narivonirina Maria, omaly, teny Tsimbazaza.

Nesorina amin’ny toerany ny Prefet an’Ambositra sy ny talem-paritry ny harena an-kibon’ny tany, ho an’ny faritra Amoron’i Mania. Anisan’ny nisongadina tamin’ny filankevitry ny minisitra, afakomaly, teny Iavoloha izany. Mety misy ifandraisany amin’ny raharaha nahafaty ny ben’ny Tanànan’i Mangata­boahangy, maty voatifitra izany.

Voatokana ny fileovana FLM, ao Montréal Canada. Voatendry hitantana izany ny Pastora Toloantenaina Petera. Notokanana ny herinandro teo koa ny katekista mirahavavy any Saguenai. Natao ho fitandremana koa ny fiangonana Trois rivières sy ny any Drummondville. Nitarika izany tany an-toerana ny filohan’ny FLM, ny Dr Rakotozafy Denis.

Partager sur: