Namoaka ny filaharan’ireo firenena mpikambana ao aminy, tao amin’ny tambajotran-tseraserany, omaly, ny Federasionina iraisam-pirenen’ny baolina kitra (Fifa).
Nanamarika izany ny filaharana misy an’i Comores izay eo alohan’ny Barea de Madagascar. Mipetraka eo amin’ny faha-105 maneran-tany mantsy izy ireo na dia very toerana 2 aza satria teo amin’ny laharana faha-103 teo aloha.
Nisondrotra toerana iray ny Barea izay lasa eo amin’ny faha-115 raha faha-116 tamin’ny fikilasiana farany. Mbola ry zareo kaomorianina hatrany izany no lohany aty amin’ny ranomasimbe Indianina, amin’izao fotoana izao. Faha-178 ry zareo maorisianina ary faha-203 i Seychelles. Tafiditra ao anaty “Top 100” i Mali sy i Ghana izay iray vondrona amin’ny Barea eo amin’ny fifanintsanana ho an’ny “Mondial 2026”. Laharana faha-53 ny voromaherin’i Mali raha faha-76 i Ghana.
Raha eo amin’ny filaharan’ny Kaonfederasionina afrikanina (Caf) indray, mitarika hatrany i Maroc, arahin’i Sénégal ary i Egypte no fahatelo. Faha-23 i Comores ary faha-29 ny Barea de Madagascar ary farany aty Afrika i Seychelles.
Tsy mbola mihetsika fa voatazon’i Argentine, tompondaka maneran-tany farany ny laharana voalohany amin’ny Fifa. Nosongonan’i Espagne i France izay teo amin’ny laharana faharoa ary nilatsaka ho fahatelo. Any amin’ny laharana faha-10 vao tazana i Allemagne. Fahafito i Portugal ary fahadimy ry zareo Brezilianina.
Tsy nihetsika teo amin’ny toerana nisy azy fa mijanona ho faha-15 i Japon ary faha-16 ry zareo Bekintana. Mbola mitazona ny laharana farany hatrany eo amin’ny faha-210 i St Marin, raha tsy voasokajy kosa i Erythrée.
Tompondaka




